Auteur/autrice : Adnews

Madajazzcar 35 taona : raikitra ny « Interna­tional Jazz Day »

Tafiditra ao anatin’ny fampivelarana ny jazz sy ny faha-35 taonan’ny hetsika “Madajazzcar”. Hotanterahina eto Anta­nanarivo ny 30 avrily sy any Antsirabe ny 1 mey izao ny fanamarihana ny « International Jazz Day ». Ho an’Antananarivo, ao amin’ny Le Point d’exclamation Louange Bar Analakely no hanatontosana ny seho, izay hizara roa. Fizarana voalohany, […]

Sarotra resena ny hosoka: 2 000 Ar dia mahazo boky amin’ny endriny PDF

Mahakivy ! Tsy ny tontolon’ny mozika irery no misedra olana amin’ny piraty, indrindra amin’izao firoboroboan’ny teknolojia izao. Sedra lehibe atrehin’ny rohim-boky koa ny fivarotana amin’ny endriny niomerika, izay mahazo vahana ankehitriny. Nahavelom-bolo ny fahamaroan’ny mpankafy boky, tonga nitsidika ireo tranoheva nandritra ny hetsika « Tokotany be », teny Mahamasina ny faran’ny herinandro teo. Tsapa […]

Sehatry ny fandraharahana: lany filoha hitantanana ny FEAA i Samarthe Anny Corine

Taorian’ny fahataperan’ny fotoam-pitondran’ny mpitantana ny fikambananan’ny vehivavy mpandraharaha ao anatin’ny Faritra Atsimo An­drefana (FEAA) teo aloha. Niroso tamin’ny fifidianana izay ho filoha vaovao ny mpikambana. Lany nandritra izany i Samarthe Anny Corine, vehivavy 32 taona Mpandraharaha iray tompon’ny orinasa Amara, misahana ny taovolo sy endrika, ny trano sy taozavatra vita […]

VAOVAO TAMBATRA

Voarara ny fanahazana vary eny amin’ny lalam-pirenena. Nidina ifotony, nanentana sady nilaza tamin’ny tompony ny hanesorana ny vary eny amin’ny arabe ny zandarimaria, nanomboka, omaly. Nentanina ny kaominina hanentana ny rehetra fa ho an’ny fiarakodia ny lalam-pirenena, ho an’ny mpandeha an-tongotra ny sisin-dalana. Mitohy ny fampiofanana maimaimpoana ny fiompiana trondro […]

Fitsirihana ara-ketra: mampitovy tadin-dokanga ny DGI sy ny OEFCM

“Mifanipaka matetika ny hevitra amin’ny fampiharana ny lalàna. Hita izany na amin’ny fanatanterahana ny adidy ara-ketra (procédures fiscales) na amin’ny hailamin’ny fitsirihana ara-ketra (méthodologie de contrôle fiscal), raha ny nambaran’ny sekretera jénéralin’ny « Ordre des Experts Comptables et Financiers de Madagascar (OECFM) », Razakamahefa Hajanirina. « Mifampihaino, mampitovy fijery no dingana […]