Auteur/autrice : Adnews

Tsy ho tratry ny tampoka

  Mbola vaovao mafana, mitazona ny sain’ny maro ny mahakasika ny fifidianana ho avy izao. Efa any anatin’ny fanomanana sy ny fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana ny kandidà sy ny mpanohana azy. Manao izay ho afany avokoa. Ankoatra ny mamim-bahoaka, ny vola rahateo samy manana. Matoa nahasahy nandoa ny anto-bola 20 […]

Tetikasa Taratra-Toliara: nampahafantarina ny zo sy ny andraikitry ny mponina

Tany amin’ny kaominina Belalanda sy Maromiandra indray ny loabary an-dasy nokarakarain’ny eglizy Katolika, ao anatin’ny tetikasa Taratra. Tanjona ny hamantarana ny eny ifotony ny fampandrosoana tokony entin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany any Toliara. Mitohy ny fitetezam-paritry ny tetikasa Taratra tontosain’ny eglizy katolika any Toliara, faritra Atsimo Andrefana. Taorian’ny tany Benetsy, […]

TSELATRA

Vehivavy 29 taona maty notsatohan’ny sakaizany antsy tao Androro, Vohemar, omaly. Hasarotam-piaro no nitarika ny disadisa. Niafara tamin’ny fampiasan-drangahy zava-maranitra anefa izany. Nitsoaka ilay nahavanon-doza taorian’ny habibiana. Dahalo efa-dahy lavon’ny zandary tao Betroka, afakomaly. Nangalatra omby maherin’ny 30 ireo dahalo ireo ka nifanenjehan’ny mpitandro filaminana. Nifane­hatra tao amin’ny kizo Ampimoty […]

Barikadimy – Toamasina : mpianatry ny oniversite tratra nivarotra rongon

Ao anatin’ny fanadiovana amin’ny lafiny rehetra ny fiadidian’ny filohan’ny oniversiten’i Toamasina, amin’ny hanadiovana ny ao anatin’ny Campus. Ny alatsinainy tamin’ny 9 ora maraina, nampandre ny polisim-pirenena ny teo anivon’ny fitondrana sy ny fitantanana Oniversite Barikadimy Toa­masina, fa misy mpianatra mivarotra zava-mahadomelina. Nanao andrimaso avy hatrany ny polisy. Nahitam-bokany izany, tratra […]

Lasa ny 500 000 Ar: mpangarom-paosy matin’ ny fitsaram-bahoaka

Matin’ny fitsaram-bahoaka ny jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana ao amin’ny kaominina ambanivohitr’Ambatotsi­pihina, afakomaly. Nahazo fampitam-baovao ny zandary niasa tao an-toerana momba ny fisian’ity jiolahy ity izay hita mihaodihaody ao an-tsena. Efa-dahy ry zalahy no mpiara-manao asa ratsy saingy tafatsoaka ka nenjehin’ny fokonolona. Nambaran’ny tatitra voaray avy amin’ny zandary fa nisy fifanjevoana […]