Hatevenina ny fanondranana entana avy aty Afrika mankany Chine. Tompon-kevitra amin’izany ny Centre du Commerce International (CCI) sy ny fitondram-panjakana sinoa. Firenena afrikanina valo no tohanana hanondrana vokatry ny fambolena any Chine sy hisarika mpampiasa vola sinoa amin’ireo tany afrikanina ireo. Voafidy ao anatin’izany i Madagasikara, miampy an’i Ethiopie, Kenya, […]
Auteur/autrice : Adnews
QMM: havadika ho entona ny rano avy nampiasaina
Mitohy ny fanatsaran’ny orinasa QMM ny fitantanana ny rano avy nampiasainy amin’ny asa fitrandrahany any Taolagnaro. Misy ny tetikasa andrana, hananganana dobo manokana, hanadiovana ny rano avy nampiasaina amin’ny fitrandrahana. Haharitra enim-bolana ity tetikasa andrana ity, mamaly ny fepetra ara-dalàna napetraky ny Antokon-draharaha nasionaly misahana ny rano (Andea), tsy hiantraika […]
4X4 nivadika teny amin’ny RN44: Profesora sy ny ramatoa vadiny namoy ny ainy
Loza nahatsiravina! Indray namoy ny ainy ny Profesora iray sy ny vadiny, niharan’ny fivadihan’ny fiara tampoka teny amin’ny lalam-pirenena faha-44, teo Andranokobaka-Andilanatoby, Ambatondrazaka, omaly. Tokony ho tamin’ny 11 ora latsaka, fiara tsy mataho-dalana iray marika “Rexton” no nivoaka ny arabe ary nifatratra tany anaty kirihitra. Nikasa hihazo an’ Ambatondrazaka, hamonjy […]
Vahaolana ifotony
Avy any ambony ny ohatra fakan-tahaka? Any ifotony kosa ny olana mila vahana, indrindra amin’izao fahasahiranana diavina sy iainan’ny firenena izao: fidangan’ny vidim-piainana, tsy fandriampahalemana… Lazaina mandrakariva fa tsy azo ihodivirana izao krizy eran-tany izao noho ny ady eo amin’i Ukraine sy i Rosia. Tsy fantatra be ihany izay mety […]
Nosakanan’ny Emmo/Reg ny hetsiky ny Tim any Antsiranana
Tsy afa-bela isaky ny hihetsika. Tsy tanteraka indray ny fivoriana, nokasain’ny antoko Tim hotanterahina tao Antsiranana, omaly. Tahaka ny efa nanakanana ny tetsy amin’ny Magro Behoririka. Miatrana avokoa ny Emmo/Reg amin’ireo toerana ireo. Nahitana mpitandro filaminana avokoa ireo lalana mihazo ity toerana any Antsiranana ity. Tsy nahazoana alalana io hetsika […]