Auteur/autrice : Adnews

Taksiborosy nivadika : Mpandeha iray tsy nahatsiaro tena

Tsy nahatsiaro tena ny mpandeha iray, 70 taona, tao anatin’ny taksiborosy nivadika, teo avaratr’Ilempona, Antanifotsy, lalam-pirenena fahafito, omaly maraina. Niala avy any Antsirabe io fiara mpitatitra io ary nikasa hihazo an’Anta­nanarivo, araka ny angom-baovao. Tra-doza tampoka anefa tamin’ny 7 ora sy sasany maraina. Nivadika ny fiara sady nivoaka ny lalana. […]

Andoharanofotsy : Zaza herintaona maty main’ny herinaratra

Variana nanao raharaha ny mpitaiza, nilalao herinaratra ka namoy ny ainy ny zaza vao herintaona sy roa volana, tao amin’ny fokontany Belambanana, Andoharanofotsy, distrikan’Atsimondrano. Zava-doza! May vokatry ny herinaratra ny zaza herintaona sy roa volana tao Belambanana, kaominina Andoharanofotsy, Antana­narivo Atsimondrano, afakomaly maraina tamin’ny 10 ora sy sasany. Tsy tao […]

TARATRY ny KANTO

“Hip-Hop Session”, eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Anio, manomboka amin’ny 1 ora ny fotoana, iarahana amin’ireo efa fanta-daza toa an-dry Buddha El Taga, Samantha & Kayah, Doubl’Enn, Laz, Netyk, Typik, Septic, Ti-Ah, sns. Seho ifandimbiasana, eo amin’ny Esplanade, izay toerana manan-tantara eny amin’ny Oniver­site izy ity. Tafiditra anatin’ny fankalazana ny faha-65 taonan’ny […]