Auteur/autrice : Adnews

“Pureplay Foot-ball League” (PFL): hanohana ny CFEM mandritra ny 2 taona ny FMF

Taorian’ny fanovana ny anaran’ny fifaninanam-pirenena “Orange Pro League, (OPL)” ho “Pureplay Foot-ball League, (PFL)”, niroso tamin’ ny fanohanana ny CFEM (As­so­ciation des clubs de football élites de Madagascar) ny federasiona malagasy (FMF). Notanterahi­na ny zoma lasa teo, teny Ivandry, ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny roa tonta. Nanatan­teraka izany, Andriamanam­pisoa Alfred, filohan’ny […]

DAKA AN-JORONY: angovo sy teknika

Na tsy mandeha mivantana amin’ny fahitalavi-pirenena (TVM) aza ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny ekipam-pirenena, taranja baolina kitra (Can 2024), manaraka akaiky izany ny Malagasy, indrindra fa ireo mpiondana ity taranja ity. Samy mahatsapa ny rehetra fa mafy ilay fifaninanana. Tsy vitan’ny teknika fotsiny fa tena miasa ny […]

“Can 2024”: tsy mbola afa-bela tamin’i Côte d’Ivoire i Mali

Fantatra avokoa ireo ekipa efatra hiatrika ny manasa-dalana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena, taranja baolina kitra (CAN 2024). Tsy mbola afa-bela tamin’i Côte d’Ivoire indray i Mali. Nigeria hidona amin’i Afri­ka Atsimo ary RD Con­go hifampitana amin’i Côte d’Ivoire. Ireo ny manasa-dalana, hiadiana ny ho tompondakan’i […]

Sombim-baovao

Hotanterahina ny 17 febroary ho avy izao, eny Soavina, ny «Gala des Champions», taom-pialalaovana 2023, taranja Moto. Mpilalao moto miisa 78 sy mécaniciens 3 no hahazo mari-pankasitrahana eny an-toerana. Tsiahivina fa mialoha ity lanonana ity, hisy ny fifaninanana nasionaly, ny 11 febroary, hatao any Antsirabe. Nigadona eto an-tanindrazana, ny alarobia […]

Basikety 3×3 – Analamanga : tompondaka ny ekipa Liberty

Notanterahina teny amin’ ny Kianjan’ny Oniversite Ankatso, ny sabotsy 3 febroary lasa teo, ny fifaninanana basikety 3×3, sokajy vehivavy U23, ho an’ny ligin’Analamanga. Noromba­hin’ny ekipa Liberty izany fifanintsanana izany. Araka izany, izy ireo no so­lon­tenan’Analamanga amin’ilay fifaninanam-paritra “De La Rue vers l’Or”, izay hotontosaina eto Antananarivo, manomboka ny 16, 17 […]