Hanatanteraka fambolen-kazo eny amin’ny kaominina Ambalavao Atsimondrano, manakaiky ny Analamanga Park, ny fianakaviamben’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, tarihin’ny minisitra, Andriamanantany Zely, amin’ny alakamisy izao. Aman’aliny ireo mpiasan’ny fahasalamana hanatontosa izany. Nidina tany Itasy ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny faran’ny herinandro teo, nanatanteraka fambolen-kazo faobe niaraka tamin’ny mpiara-miasa. […]
Auteur/autrice : Adnews
Antenimierampirenena : hofaizina mafy ireo mpanolana zaza
Nolanian’ny depiote 67 teny anivon’ny Antenimierampirenena, Tsimbazaza, ny faran’ny herinandro teo, ny volavolan-dalàna 022/2024, tamin’ny 24 janoary 2024, nanitsiana ny lalàna momba ny famaizana ireo manao fanolanana zaza. Misy sokajy telo ny sazy amin’izany, arakaraka ny taonan’ny zaza voaolana: raha latsaky ny folo taona ny zaza, asa an-terivozona mandra-pahafaty no […]
Comores : mirongatra ny “cholera”
Manoloana ny firongatry ny valanaretina «cholera” ao Mozambika sy ny nosy Comores, namoaka naoty ny manam-pahefana ao amin’ny faritra Boeny ny amin’ny fepetra manokana tsy maintsy raisina. Miato avokoa, araka izany, ny sambo mpitondra mpandeha rehetra avy any Comores. Toraka izany, ny sidina ana habakabaka rehetra avy any Mayotte, miato […]
Aretin’ny taovam-pisefoana : mifarimbona amin’ny hopitaly maro ny CHU Andohatapenaka
Ho fandraisana an-tanana ny zaza madinika amin’ny aretin’ny taovam-pisefoana dia misokatra ny sampandraharaha misahana izany etsy amin’ny CHU Andohatapenaka. Nanapa-kevitra ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka handrindra manokana ny fandraisana an-tanana ny zaza tratran’ny aretin’ny taovam-pisefoana izay mirongatra rehefa vanim-potoana toy izao. Mifarimbona, araka izany, ireo hopitaly maromaro amin’ ny fandraisana an-tanana ny […]
Ski alpin-«Mondiaux junior 2024»: laharana faha-56 i Theo Montaigne
Nifarana ny sabotsy teo, tao St Jean d’Aulps Frantsa, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny taranja fikorisana an-dranomandry, ski alpin, sokajy junior, na ny fis junior «World ski championships». Nanana solontena roa niatrika izany i Madagasikara. Azo lazaina fa teo ho eo ny vokatra azon’izy ireo. Anisan’ izany, i Montaigne […]




