Auteur/autrice : Adnews

Fanadiovan-tsaina

  Somary nitsahatra kely ny orana. Manomboka miakatra ny hafanana. Mbola miparitaka ny fako na efa manao izay ho afany aza ny mpanadio. Angaredona niady amin’ny loto no azo nilazana azy. Tena nanao rodobe hatramin’ny vazaha aza nanome kamiaobe Manomboka hita fa misinda tsikelikely ny tendrombohitra fako, nameno ny tanàna. […]

Tetikasa APEMBA: hampiroboroboina ny famokarana eto Madagasikara

Hampitomboina ny famokarana apemba sy voanjo ary bajiry eto Madagasikara, amin’ny alalan’ny tetikasa “Apemba ». Hisy ny fikarohana manokana hijerena ny fanatanterahana izany sy ho an’ny fanodinam-bokatra ho tombontsoan’ny tantsaha. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasan’ny governementa amerikanina “Feed the future” ny tetikasa “Agricultural Project for en­hancing Sorghum, Milet and Peanuts business Activity […]

TSELATRA

Lehilahy nanolan-jaza tany amin’ny fokontany Ampefindradama, kaominin’Ampefy, distrikan’i Soavi­nan­driana, faritr’Itasy, naiditra eny Tsiafahy, omaly. Nam­pihatra ny filan-dratsiny tamin’io zazavavy io ny fiatombohan’ny volana janoary teo izy. Notambazany vola 500 Ar ilay zaza. Roa lahy mpidoroka rongony sady mpanendaka voasambotry ny mpitandro filaminana teny Behenjy, kaominina Itaosy, omaly. Vinanton’ilay rangahy voasambotra […]

Fanafihan-dahalo: lelilahy iray voatifitra, olona telo takalonaina

Maty tsy tra-drano notifirin’ny dahalo nitam-piadiana ny raim-pianakaviana iray tao Antanetibe, fokontany Andro­va Atsimo, kaominina Talata Angavo, distrikan’Ankazobe, ny alin’ny talata 24 janoary teo. Niakatra tao an-tanàna ny dahalo maherin’ny 20 lahy. Nirongo basy mahery vaika sy antsy izy ireo. Tsy nisy alaharo, nanapoaka basy sy nampitahotra ireo tokantrano lasibatra […]

Fisolokiana : lehilahy iray naiditra am-ponja

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’i Maroantsetra, afakomaly, ny lehilahy iray malaza ratsy amin’ny fisolokiana avolenta. Maro ny fitarainana voarain’ny polisy ao an-toerana amin’ny afitsok’ity jiolahy mpisoloky ity. Nandray fepetra avy hatrany ny polisy ka nanao ny fanaraha-maso azy. Voamarina tokoa ny fisian’io jiolahy io. Nanao ny vela-pandrika hahafahana […]