Auteur/autrice : Adnews

Fianarantsoa : nahazo teoram-piasana ny Akademia Malagasy

Notanterahina afakomaly ny fivorian’ny Akademia Mala­gasy, sampana Fianarantsoa. Notokanana nandritra izany ny efitrano izay ho foibe fiasany. Ao amin’ny Trano famakiam-boky Tsianolondroa no misy ny birao. Fanomezana avy amin’ny kaominina Fianarantsoa Renivohitra ity efitrano ity. Antenaina hampivoatra sy hampiroborobo ny Akademia Malagasy ao Matsiatra Ambony, araka izany, ny fisian’ny birao […]

FIBD any Angoulême : Handray anjara i Dwa sy i Catmouse ary i Heri Shinato

Ambohipihaonan’ny mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny fanaovana tantara an-tsary maneran-tany ny ao Angoulême, manomboka anio. Anisan’ny manana solontena hiatrika izany ny Malagasy. Tanterahina manomboka anio hatramin’ny 28 ja­noary 2024, ao Angou­lême, Frantsa, ny « Festival international de la bande dessinée d’Angoulême » (FIBD), andiany faha-51. Hetsika anisan’ny lehibe indrindra ho an’ny eo amin’ny […]

Aretin’ny taovam-pisefoana: maro ireo zaza latsaky ny telo volana miditra hopitaly

Mirongatra ny aretin’ny taovam-pi­sefoana eo amin’ny zaza, raha ny za­va-misy eny anivon’ny hopitalin-jazakely sy eny amin’ny tobim-pa­hasalamana tsy miankina nanaovana fanadihadiana. Mahazo vahana indray, indrindra ny otrikaretina antsoina hoe “bronchiolite”. Isan-taona sy amin’ny andro fahavaratra, manodidina ny 10 isan’andro eo ny zaza entina manatona toeram-pitsaboana. Ankehitriny, tafakatra avo sasaka izany […]

VAOVAO TAMBATRA

Hitohy ny asa fanohanana ara-bola sy ara-teknika ny mpandraharaha eto Madagasikara, amin’ny alalan’ny fandaharanasa Fihariana. Misy ny lamina apetraka entina hanatanterahina izany sy hijerena ireo asa mila fanarenana ao anatin’ireo efa vita sy mivaingana. Anisan’ny mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena ny tontolon’ny fandraharahana. Nanomboka omaly ny atrikasa ho fankatoavana […]

Tao anatin’ny 10 volana : nahatratra 370 510 taonina ny vary nafarana

Nahatratra 370 510 taonina ny vary nafarantsika tao anatin’ ny 10 volana voalohan’ny taona 2023. Nihena izany raha toa ka tafakatra hatrany amin’ny 599 603t ny taona 2022, nandritra io vanim-po­toana io. Izany hoe, fihenana manodidina ny 229 093t, ara­ka ny tatitra navoakan’ny mpa­nara-maso ny vary (ODR). Anisan’ny nampiakatra ny taham-pamokarana ny fiakaran’ny […]