Auteur/autrice : Adnews

Antoko Marina : “Mila atao ny fifidianana lehiben’ny faritra”

“Mbola ao anatin’ny La­làmpanorenana ny faritra. Tsy mbola misy fanovana izany. Noho izany, tokony hofidina amin’ity taona ity izay hitantana ny Faritra”, hoy ny faneho­an-kevitry ny filoha nasionalin’ ny antoko Marina, Ranaivoson Désiré, momba ny fiatrehana fifidianana. Tokony hotaperina ny taona 2024 ny fotoam-pifidianana. Mba tena asa fampandrosoana no hatrehin’ny […]

Fitantanana ny kaominina : naka ny hevitry ny HCC ny Praiminisitra

Saika tapitra tamin’ny 10 janoary lasa teo avokoa ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna amin’ireo kaominina 1 695 manerana an’i Mada­gasikara. Inona no hatao? Araka ny loharanom-baovao azo antoka, naka ny hevitry ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta. Anisan’ny fanontaniana amin’izany ny hoe: […]

Rakotoson Andriamiraho Hoby : “Tsy ampy ny tetibola hanentanana ny olom-pirenena amin’ny Rale”

Mby aiza ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana (Rale) amin’izao? Maneho ny heviny ny avy amin’ny firaisamonina sivily miantsehatra amin’ny fanaraha-maso fifidianana, ny fikambanana ny Angady, Rakotoson Andriamiraho Hoby. Dinidinika… Gazety Taratra (*) : Ny fahitanareo ny Rale amin’izao? Rakotoson Andriamiraho Hoby (-): Fampidirana ny anaran’ireo vao feno taona sy izay […]

TARATRY ny KANTO

Mitohy foana ny tolo-tanana ho an’i Mika. “Aza avela hatory”, hoy ny fanentanana. Efa natomboka ary misy isan’andro. Anjaran’i Jimi Harisson indray ny manafana ny anio, eny amin’ny Mlam Mana­kambahiny, manomboka amin’ny 7 ora hariva. Hitohy ny zoma, etsy amin’ny La City Ivandry izany, miaraka amin-dry ‘Zay, Samöela, Rah-Ckiki, Tovo […]