“Reko Tour 2024”. Io no hampisalorana ny fitetezam-paritra sy firenena hataon’ny tarika Reko amin’ity taona ity. Anatin’ny fanamarihana ny faha-5 taona nisian’ny tarika, izay efa natombony tamin’ny fampisehoana tetsy amin’ny CCEsca Antanimena, ny volana desambra lasa teo, io. “Hivaly ilay fangatahanareo hoe mba tongava aty aminay. Efa tsy andrinay ny […]
Auteur/autrice : Adnews
«Telma Coupe 2023» : ho fantatra anio izay hanao famaranana
Hotanterahina anio, eny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus, ny lalao manasa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Telma Coupe 2023”, taranja baolina kitra. Araka ny vaovao voaray, ny ekipan’ny AS Fanalamanga Toamasina no hihaona amin’ny CFFA Andoharanofotsy ary ny Disciples FC Vakinankaratra hifanandrina amin’ny Elgeco Plus Analamanga. Raha hiverenana ny ampahefa-dalana nataon’izy ireo. […]
CUA : tsy azo leferina ny fahalotoan’ny tsena
Nanao fampahatsiahivana ny kaominina Antananarivo Renivohitra mahakasika ny fahadiovan’ireo mpivarotra sy ny toerana ivarotany, araka ny voarakitra ao anatin’ny fehezam-pitsipika momba ny fikoloam-pahasalamana. Mila manaraka ireo fenitra napetraka ny mpivarotra. Voarara ny varotra rehetra ivelan’ ny tsena. Ireo tsena rehetra tsy maintsy anaovana fanadiovana faobe matetika, isorohana ny otrikaretina ary […]
Sekolim-panjakana : tsy ampy 2 tapitrisa ny dabilio
Nilaza ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle, fa tsy ampy 2 tapitrisa ny isan’ny dabilio ho an’ny zana-bahoaka any amin’ireo sekolim-panjakana manerana ny Nosy. Tafiditra amin’izany ny EPP sy ny CEG ary ny Lycée. Manaporofo izany ny mbola ahitana sekoly mipetraka amin’ny tany mihitsy aza any ambanivohitra. Ny ankizy […]
Takaitran’ny orambe: telo ny olona maty, iray tsy hita popoka
Niakatra ny isan’ny olona namoy ny ainy sy traboina vokatry ny orambe niseho farany teo. Mbola nahazo fampitandremana amin’ny fahabetsahan’ny rotsakorana ny faritra maro anio sy rahampitso. Niakatra ho telo ny olona namoy ny ainy vokatry ny orambe niseho nanomboka ny 16 janoary lasa teo. Iray tany Maevatanàna, ary roa […]




