Auteur/autrice : Adnews

Anjoma – Fianarantsoa: Cash point voatafika, olona telo naratra

Olona telo naratra vokatry ny fanafihan-jiolahy tao Anjo­ma Fianarantsoa, omaly tamin’ny 7 ora sy 30 minitra maraina. Mpanao Cash point iray no niharan’ny fanafihana ka lasan’ireo mpanafika, tamin’izany, ny volabe teny aminy. Teo akaikin’ny toerana fivarotana akoho ao an-tsenan’An­joma no nitranga ny fanafihana. Jiolahy telo (nanao arovava ny roa) niaraka […]

Fikambanan-jiolahy Hobo: roa lahy tratran’ ny polisy

Tratran’ny polisin’ny Sut Toamasina ny lehilahy roa mpikambana ao amin’ilay fikambanan-jiolahy Hobo, afakomaly alina. Teny akaikin’ny kianja Mangarano izy ireo no nifanehatra tamin’ny polisy raha nanendaka sady nanao herisetra. Mirongatra ny fanendahana, manao ny ataony ireto jiolahy mivondrona ao anatin’io fikambanana io. Nandray ny andraikiny ny polisy nanao ny fikarohana […]

Fifandonana mahery vaika : lietnà iray maty voatifitra

Maty voatifitra, nandritra ny fanarahan-dia, ny zandary lietnà iray, omaly, tao Marofototra, Maevatanana. Lavon’ny balan’ny jiolahy koa ny sivily iray niaraka taminy. Namoy ny ainy vokatry ny fifandonana tamin’ny dahalo ny zandary, lefitry ny Kaomandin’ny Vondron-tobim-paritra ao Maeva­ta­nana, omaly. Nanafika tao amin’ny tanànan’i Sarodrano, fokontany Marofototra, kaominina Maevatanana II, ny […]