Auteur/autrice : Adnews

Tohana amin’ny famokarana: hihatsara ny vokatra any Tsiroanomandidy

Anisan’ny misitraka ny fizarana kojakojam-pamokarana ao anatin’ny tetikasa « Purpa” ny faritra Bongolava. Azo antoka fa hihatsara ny vokatra any an-toerana amin’ity taom-pambolena 2024 ity, toy ny vary an-drano, ny voanjo ary ny soja. Natao ny 15 hatramin’ny 18 janoary teo ny fizarana kojakojam-pamokarana avy amin’ny minisiteran’ny Fam­bolena sy ny fiompiana […]

TARATRY ny KANTO

“Tolo-tanana ho an’i Mikakely”, eny amin’ny M’Lam Manakambahiny. Misesy ny fanehoana firaisan-kina. Avy hatrany dia niara-nientana ka hiaraka hanao seho anio, manomboka amin’ny 5 ora hariva, ireo naman’i Mikakely, mivondrona ao amin’ny Bassiste Gasy. Tsy misy vidim-pidirana fa vata hanangonana ny fanampiana ny marary no hatao. Hampitomboana ny fanandratana ny […]

“Africia Music Award”: nahazo ny “Coup de Coeur 2023” i Anisha Jo

Fandresena ho an’ny Ma­lagasy maneran-tany! Noho ny fanohanana an’i Anisha Jo amin’ny lalany eo amin’ny mozika mantsy no nahazoany ny voalohany tao amin’ny sokajy “Projet coup de Coeur 2023”, nandritra ny “Africia Music Award”. Nifarana afakomaly ny fisafidianana tao amin’ny Instagram, izay nahazoany vato maherin’ny 80% tamin’ireo mpifidy. Satria tetikasa […]

Fampiasana ny sanganasany : nahazo alalana tamin’i Ninie Donia i Farah John’s

Alalana feno sy ara-dalàna no azon’i Farah John’s amin’ny fihirana sy fampiasana ny sanganasan’i Ninie Donia. Nitondra fanazavana sy fanamarinana mahakasika izany izy. Nanatanteraka valandresaka ho an’ny mpanao gazety, niresahana ny mahakasika ny fihirany ny hiran’i Ninie Donia, ny mpanakanto Farah John’s, omaly, teny Am­pasika. « Efa ela i Ni­nie Do­n­ia […]

Fahasembanana ara-batana : Razanapaly Tojo, niezaka ary hankalaza ny faha-10 taonan’ny orinasakeliny

Anisan’ny olona manana fahasembanana niezaka sy nioitra teo amin’ny fiainany Razanapaly Tojo Hajanirina. Antony nandrisika azy tamin’izany ny fanilikilihana sy ny fanavakavahana nataon’ny fiarahamonina sy ny mpiara-belona. Fanondroana ny olona manan-takaitra hatrany am-bohoka na azo taty aoriana ny atao hoe sembana, araka ny voasoratra ao amin’ny lalàna 97- 044 mahakasika […]