Auteur/autrice : Adnews

FANTINA sy FINTINA

Nihaona ny faran’ny herinandro teo indray ny Vondron’ny kandidà. Tsy nisy nipika ny dinika nifanaovan’izy ireo. Na izany aza, voalaza fa tafiditra amin’ny fanohizana ny tolona hatrany izao fihaonana izao. Nandefa solontena ny kandidà sasany amin’izy 11 mianaka. Nanao fanambaram-pananana teny amin’ny HCC ireo loholona, omaly. Nitarika izany ny filohany, […]

Fididianana : tsy hanaiky famitahana intsony ny TGV

“Tamin’ny 2018 izahay no mety voafitaka”, hoy ny sekretera nasionaly faritany Anta­nanarivo, Rasoama­romaka Hery, teny Ambohidahy, oma­ly, ny amin’ny fiatrehana ny fifidianana kaominaly sy ny depiote. Na kandidà niaraka tamin’ny TGV aza tamin’izany, any amin’ny toerana fahadimy na fahatelo tamin’ny voka-pifidianana. Amin’izao kosa, tsy ho voafitaky ry zareo intsony fa […]

Mba ho laharam-pahamehana

  Mampalahelo fa nahalavoana indray ny mpitandro filaminana omaly, tany amin’ny faritra Betsiboka. Manamboninahitra iray vao erotrerony no lavon’ny balan’ny jiolahy, nandritra ny fanarahan-dia mba ho famerenana ny fananan’ny lasibatra amin’ny tompony. Marina, mety tsy ampahafirin’ny olona lasibatra sy lavo am-perinasa izy. Tsy sanatrian’ny vava hanararao-paty ka hisintona lakolosy. Ny […]

Filankevitry ny minisitra : hotendrena rahampitso ireo sekreteram-panjakana miisa 9

Hotendrena amin’ny filankevitry ny minisitra rahampitso ireo sekreteram-panjakana miisa sivy eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Hisy ny fanovana samihafa amin’izany. Nambaran’ny loharanom-baovao iray fa efa vita ny herinandro lasa teo ny nanaovana tombana ireo nahafeno ny fepetra rehetra, taorian’ny fandalovana amin ‘ny sivana farany, mialoha izao fanendrena izao. Hany sisa […]

TSELATRA

Mpangarom-paosy miandry mpandeha amin’ny taksibrosy voasambotry ny mpitandro filaminana tao Ankirihiry, Toamasina, omaly hariva. Tsikaritry ny lasibatra tampoka ny fihetsik’io lehilahy io. Nifandrimbona rahateo ny fokonolona ka noraisim-potsiny izy. Kamiao lehibe iray nandona mpandeha an-tongotra teny By-pass, afakomaly. Nitsoaka avy hatrany anefa io fiara io taorian’ny loza. Voa mafy ary […]