Nitondra vahaolana, hamahana mivantana ny fahantrana eny ifotony ny filoha Rajoelina. Napetraka ny tetikasa “Ankohonana miarina” hananganana tanàna vaovao, hanomezana tany sy trano, kojakojam-pambolena, biby fiompy. Nosantarin’ny filoha Rajoelina tany amin’ny faritra Itasy ny tetikasa «Ankohonana miarina». Nambarany fa «mahantra ny Malagasy kanefa hitako mavitrika, ka mendrika tohanana». Mirefy 53 […]
Auteur/autrice : Adnews
Antehiroka : lehilahy iray hita faty tao anaty tanimbary
Nahitana fatin-dehilahy iray tao an-tanimbary anatin’ny fokontany Ankadivory, kaominina ambanivohitra Antehiroka, distrikan’Ambohidratrimo, omaly maraina. Nampandre ny vaovao tany amin’ny polisy miasa eny an-toerana avy hatrany ny sefo fokontany, fa misy lehilahy iray tsy nisy aina intsony, natsingevan’ny rano teny amin’io an-tanimbary io. Nidina nijery ny zava-nisy avy hatrany ny polisy, […]
Nanafika Cash point : Jiolahy roa maty voatifitry ny polisy
Jiolahy roa nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika sy sabatra ary antsy avy nanafika Cash point no lavon’ny balan’ny polisy tao Antaravay Toliara, ny zoma teo. Naharay fitarainana ny polisy ao Antaravay miasa eo amin’ny sakana Antsokobory, ny zoma hariva, fa misy vehivavy iray tompona Cash point ao Anketa norobain’ny jiolahy telo […]
Mahamasina : tovolahy maty notrongisin’ny taxi-be
Ninia nohitsahina! Tapitra ny ain’ny lehilahy iray nitondra moto notrongisin’ny mpamily taxi-be 154, afakomaly alina. Niendaka ny hoditra, rovitry ny arabe ny ilam-batan’ny mpitondra moto iray tetsy amin’ny “Bazar de quartier” Mahamasina, ny harivan’ny sabotsy 20 janoary teo. Notaritaritin’ ilay taxi-be niala 200 metatra ny toerana nijanonany io lehilahy io. […]
INDRAY MIJERY
Nanaovan’ny Filoham-pirenena tsindrim-peo ny mahakasika ny fanatsarana ny fotodrafitrasa ianaran’ny zaza malagasy. Hitohy, araka izany, ny fananganana ireo fotodrafitrasa mendrika sy manara-penitra manerana ny Nosy, satria manan-jo hianatra amin’ny sekoly moderina sy ampy fitaovana ny mpianatra. Irosoana maika ny fanitarana ny haratonaina ara-tsosialy amin’ireo tokantrano tena sahirana, hoy hatrany ny […]




