Auteur/autrice : Adnews

DAKA AN-JORONY: mendrika ho alain-tahaka

Sambany, hoy ireo rehetra nanatrika ny famaranana ny fiadiana ny «Grand Tournoi d’Antananarivo», taranja baolina kitra no nahitana volabe avy hatrany dia natolotra ny mpandresy. Tena mendri-piderana tokoa ny zava-bitan’ny ligin’ Analamanga, nanatanteraka izany. Tsy teo amin’ny fanatontosana ilay fifaninanana ihany fa ny herim-po nanomezana loka goavana ho an’ny mpandresy […]

Fampitana traikefa : nanangana «école de foot» i Leda, mpiandry tsatobin’ny Barea

Taorian’ny tsy niakarany kianja intsony, nanolo-tena hizara ny fahaizany sy hitaiza zandrikely, i Leda. Nanangana sekolin’ny kitra ho an’ny U13, lehilahy, ity mpiandry tsatobin’ny Barea de Madagascar ity. Ny taona 2020, rehefa tsy niakatra kianja intsony Randrianasolo Jean Dieu-Donné (Leda), mpiandry tsatobin’ny Barea de Mada­gas­car, nanapa-kevitra fa hampita ny traikefany […]

Sombim-baovao

Hikarakara fifaninanana Futsal etsy amin’ny Gymnase Couvert Mahamasina, ny Madagascar Futsal Association (FMA). Hotontosaina manomboka ny 24 febroary ary hifarana ny 17 marsa ho avy izao izany, araka ny filazan’ny mpikarakara. Marihina fa ekipa 20 no hifanintsana amin’ny sokajy lehilahy raha toa ka 12 ny an’ny vehivavy. Hotanterahina eto Antananarivo, […]

Kung Fu Malagasy : hanao fitsidihana any Eoropa

Namoaka ny fandaharam-potoanany, mandritra ny enim-bolana amin’ity taom-pikatrohana 2024 ity, ny eo anivon’ny federasiona malagasin’ny Kung Fu. Ho feno tanteraka ny lafiny fifaninanana, teknika, fa­naovaozana rafitra ary ny fi­fandraisana amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Anisan’ny vi­na goavana ataon’ny FMKF, mialohan’ny volana jona izao, ny fitsidihana an’i Eoropa. Ha­ha­fahana mijery akaiky ny ta­ranja […]

Kitra – «Telma Coupe» : fantatra ireo ekipa hanao ny manasa-dalana

Fantatra avokoa ireo ekipa efatra hiatrika ny manasa-dalan’ny” Telma Coupe de Madagascar”. Nafana tanteraka ny lalao ampahefa-dalana. Nifarana ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus By pass, ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, «Telma Coupe de Madagascar 2023». Ny ekipan’ny As Fa­na­la­manga avy any Atsinanana sy ny CFFA […]