Auteur/autrice : Adnews

Fiofanana Call Center : 200 ireo tanora hisitraka ny andiany voalohany

Misokatra ho an’ny tanora tsy ankanavaka manerana ny Nosy ny fiofanana omen’ny fan­jakana mikasika ny Call Center izay asa miroborobo tan­teraka eto Madagasi­ka­ra. Mi­kasika ny fomba fitantanana ny fifandraisana amin’ny mpanjifa amin’ny alalan’ny antso an-tariby no hiompa­nan’ny fiofanana. 200 ireo tanora kendrena hisitraka izany fiofanana izany amin’ity andiany voalohany ity, araka […]

Rotsakorana: tsy afa-bela ny faritr’ i Diana sy Sofia

Hitohy ao anatin’ny efatra andro ny rotsakorana matevina any amin’ny faritr’i Diana sy Sofia, raha ny vinan’ny mpamantatra ny toetry ny andro, etsy Ampandrianomby. Ankoatra ny sisan-drahona tamin’ilay oram-baratra dia matanjaka ihany koa ny talio sy ny Zone de convergence inter-tropicale (ZCIT) any amin’iny ilany avaratra andrefana iny. Mila mitandrina […]

Antananarivo Renivohitra : avotana anaty rano miandrona ny mponina

Andro aman’alina ny farimbon’asa atao eny amin’ny faritra iva amin’ny fanalana ny rano miandrona vokatry ny rotsakorana. Mifanome tanana ny herivelona rehetra manao izany. Teny Ilanivato sy Ampa­sika ary Andavamamba Ambilanibe indray ireo ekipa mpanadio lakandrano no niasa ny faran’ny herinandro lasa teo. Nanala ny rano niandrona mampijaly ny mponina […]

Kitra – “Can 2024”: tafita amin’ny ampahavalon- dalana i Sénégal sy i Cap-Vert

Ekipa roa voalohany efa nahazo ny tapakila hiatrehina ny dingana ampahavalon-dalana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny ekipam-pirenena, taranja baolina kitra (CAN 2024), i Sénégal sy i Cap Vert. Fihao­na­na tanterahina any Côte d’Ivoire. Samy manana isa 6 avy ireo ekipa roa ireo, taori­an’ny lalao roa tontosany, izany […]

Randresiarivony Anjaratiana : efa tompondakan’i Eoropa intelo, taranja Pancrace

Tsy ny taranja Jiu-Jitsu ihany no iangalian-dRandresi­arivony Anjaratiana, Malagasy mpikatroka, mila ravinahitra any Eoropa. Manan-talenta amin’ny haiady hafa ihany koa izy, toy ny Pancrace, araka ny resaka nifanaovana taminy, amin’izao fandalovany eto Madagasikara izao. Namiratra tokoa izy satria efa intelo no nahazo ny medaly volamena tao Eoropa, tamin’ny “Open de […]