Naneho fialan-tsiny noho ny fahatapahan’ny jiro tao an-dapa ny filohan’ny Antenimierampirenena, tamin’ny lahateny famaranana ny fotoam-pivoriana, omaly. Niato 10mn teo ny fihaonana. “Tranga miseho matetika iainan’ny vahoaka izany”, hoy izy. Nohadihadian’ny zandary teny Fiadanana ary efa nalefa nody, afakomaly ihany, ny sektetera jeneralin’ny HVM, Rasambany Alain Désiré. Voalaza ho anton’ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Razanamahasoa Christine : “Mirongatra ny tsy fandriampahalemana”
“Mirongatra ny tsy fandriampahalemana. Inona no anton’izany? Nefa manenika ny tanàna ny mpitandro filaminana. Mipetraka ny fanontaniana ampian’ny ahiahy any anatin’ny tsirairay avy.” Kabarin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, namarana ny fivoriana ara-potoana, teny Tsimbazaza, omaly, io. Manomboka matahotra indray ny vahoaka amin’ny delestazy sy ny fahatapahan-drano. Efa nanao izay fantany […]
Tandremo ny mpanolana !
Handao hiresaka trangam-piarahamonina mampivarahontsana isika anio. Tsy sanatrian-dresaka hanimba ny « ambiasy » amin’ny fianianan’ny filohan’ny Repoblika akory fa tena tsy maintsy potserina. Misy vay maharary tsy maintsy vakiana. Ity resaka fanolanana ankizivavikely na ankizilahikely ity. Ny tena loza mihatra, ilana fandraisana fepetra hentitra dia ny mpianatra samy mpianatra mifanolana. Mahazo […]
Kianjaben’i Mahamasina : mandrak’alina ny filaharana
Omaly alina dia efa filaharambe ny teny Mahamasina, hamonjy ny fianianan’ny filohan’ny Repoblika. Nanao ranolava ihany koa ny fahatongavan’ny delegasiona vahiny. Vao tamin’ny enina ora hariva omaly, efa nilahatra manodidina ny kianjaben’i Mahamasina ireo olona hamonjy ny fianianan’ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Nihatonga tsikelikely ny avy any amin’ny faritra. Nisafidy […]
Fakana an-keriny : Jiolahy maty voatifitry ny zandary
Lavon’ny zandary ny dahalo raindahiny amin’ny fakana an-keriny ao amin’ny distrikan’ Anjozorobe, afakomaly. Anisan’ireo dahalo iray tarika amin’Iarisy nampitondra faisana tao Anjozorobe sy Ankazobe ary Ambohidratrimo. Efa namoahan’ny fitsarana taratasy fanenjehana azy ity dahalo ity. Nahazo fampitam-baovao anefa ny zandary fa miery ao Toamasinakely Beanana, distrikan’Anjozorobe ny andian-dahalo tarihin’ity maty […]




