“Ndao hifety” – Tyfu Amboditsiry. “Men’s Night Show”, hisongadinan’ireo lehilahy mpanatalenta mazava loatra, ity hotontosaina anio, manomboka amin’ny 8 ora alina ity. Hiray tsikombakomba mba hampiavaka izany i Fidy Dibl, Rado Manantsoa ary i Poon eo amin’ny feo, hampian-dry Fy Rajaofetra (vata maroafitsoka), Houzefa (gitara beso) ary i Bolo Rakoto […]
Auteur/autrice : Adnews
« Tour’nao »: hiditra amin’ny dingan’ny famaranana
Tanterahina anio, eny amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina Malagasy (IKM) Antsahavola, ny seho iarahana amin’ny Madagaslam, ao anatin’ny « Zoma finaritra ». Hetsika karakarain’ny IKM, ho fanomezana sehatra ny kolontsaina sy ny haikanto maro samihafa izy ity. Ho an’ny mpiangaly Slam manokana, fotoan-dehibe, ho an’ireo mpiantsa Slam, indrindra ireo vao misandratra, izy ity. Haharitra […]
Tahirizina any Paris: mizotra ny dingana fampodiana ny kabeson’ny Ampanjaka Toera
Karandoha telo no voalaza fa an’ny Malagasy, haranty ao amin’ny « Musée de l’Homme » ao Paris. Ny voalohany ny kabeson’ny Ampanjaka Toera. Ireo roa hafa kosa an’ny mpitari-tafiny, izay samy hangatahana hampodiana avokoa. Teny amin’ny Rovan’i Madagasikara no nampanantena ny filoha Rajoelina fa tsy maintsy hampodiana eto ny kabeson’ny Ampanjaka Toera. Karandohan’ity mpanjakan’ny […]
« Harmony of Chaos »: Anaty fanomanana ny mpikarakara
Tanterahina ny 20 desambra 2023, eny amin’ny ADMC CRAAM Ankatso, ny fanokafana fampirantiana “Harmony of Chaos”, iarahana amin’ny We Art, mpahay kanto misehatra eo amin’ny fanaovana hosodoko. Fotoana iray ihaonan’ireto mpahay kanto ireto amin’ny mpankafy azy io fotoana io. Samy haneho ny maha izy azy moa ireto mpahay kanto ireto […]
Harifidy Ramarozatovo : haseho ny boky ” Ny Vehivavy filamatra”
Hamoaka ny boky “Ny Vehivavy filamatra” i Harifidy Ramarozatovo, mpanoratra. Haseho etsy amin’ny Espace Loisirs Antaninarenina, ny alarobia 20 desambra izao, manomboka amin’ny 10 ora maraina hatramin’ny efatra ora hariva ity boky vaovao ity. Voarakitra ao anatiny ny andram-pamakafakana miendrika fitantarana kely ny tranga na zava-misy amin’ny endrika kanto, miisa […]




