Mazana miakatra sy misondrotra avokoa ny vidin’ entana eny an-tsena, indrindra rehefa ankatoky ny fety toy izao. Tsy afa-manoatra ny mpanjifa manoloana izany. Miandry ny hijerena sy hitodihana amin’ny sosialim-bahoaka, araka ny fampanantenan’ ny filoham-pirenena, ny vahoaka. “Betsaka loatra ny filàn’ny mpanjifa rehefa fotoana tahaka izao nefa ny tolotra efa […]
Auteur/autrice : Adnews
Fianianan’ny filoha Rajoelina: efa tonga ny filoha maorisianina, i Prithvirajsing Roopun
Hatevina ireo delegasionina hotarihin’ireo filoham-panjakana sy tomponandraikitra ambony avy any ivelany, ho avy hanatrika ny fianianan’ny filohan’ny Repoblika rahampitso, eny Mahamasina. Anisan’ ny efa tonga omaly ary notsenaina teny Ivato ny filoha Maorisianina, i Prithvirajsing Roopun. Ny avy amin’ny iraka manokan’ny filoha Sinoa, amin’ny alalan’ny filoha lefitry ny antoko CCPPC, […]
FANTINA sy FINTINA
Tsy ho avy eny Mahamasina na nahazo fanasana aza ny depiote Tim, amin’ny fiainianan’ny filohan’ny Repoblika. “Efa tsy nankato ny fifidianana natao amboletra izahay”, hoy izy ireo. Ny HVM kosa tsy mbola nahazo fanasana, saingy efa nisafidy ny tsy ho avy. Hanomboka anio, ny fialantsasatry ny fitsarana ary hiverina hiasa […]
Miandry baolina maty
Hiavaka raha samy hiavaka ny fotoam-pianianan’ny Filoha vao lanim-bahoaka, Rajoelina Andry, rahampitso. Efa manao ranolava ny fahatongavan’ny vahiny, hanome voninahitra ny fotoana eny Mahamasina. Nanomboka omaly, hitohy mandra-pisokatry ny lanonana amin’ny 10 ora maraina ny fahatongavana eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. An-jatony, mba tsy hilazana ho aman’arivony ny vazaha, sinoa, […]
Filoha Rajoelina Andry : « Misokatra ny fiaraha-miasa ! »
Manam-pahefana sy filoham-panjakana maro samihafa no ho avy eto Madagasikara hanotrona ny fianianana sy fametrahana ny filoham-pirenena malagasy. “Noho ny fifampitokisana sy ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara ny anton’izany”, hoy ny filoha Rajoelina Andry. Nisy ny fihaonana teo amin’ny jeneraly Ravalomanana Richard, filoham-panjakana mpisolo toerana sy Rajoelina Andry, filoham-pirenena voafidim-bahoaka, omaly, […]




