Notokanana ny 8 desambra teo, ny fanavaozana ny sekoly EPP ao amin’ny Araben’ny fahaleovantena Garbit, Antsirabe. Tanteraka izany vokatry ny fiaraha-miasan’ny Vondrona orinasa Axian sy ny Telma. Nahafahana nanao azy ny fandaharanasa ho an’ny orinasa Sekoly Telma, ny M’Hetsika MVola ary ny Madio Toa, novolavolain’ny Fondation Axian, vatsian’ny Telma ara-bola. […]
Auteur/autrice : Adnews
Fifantenana ireo ho mpiara-miasa : miantso ny filoha Rajoelina ho mailo ny RPSD
Nanao fanambarana ny antoko RPSD, tarihin’ny filoha nasionaly, Andriantsizehena Benja Urbain. Niantso ny filoha Rajoelina Andry mba ho malina amin’ny fanendrena ny mpiara-miasa izy. “Aoka mba hojerena tsara ireo ho mpiara-miasa amin’izao fidirana amin’ny fe-potoam-piasana faharoa izao”, hoy izy. Nanteriny fa tokony hiainga amin’ny tolotra omen’ireo depiote na loholona na koa ireo […]
INDRAY MIJERY
Fadio ny mampiasa akora simba sy efa lany daty rehefa mikarakara sakafo. Arovy amin’ny vovoka sy hafanana ny sakafo mora simba toy ny hazandrano sy ny vokatra azo avy amin’ny ronono sy ny maionezy. Mampiasa vitrine madio sy misarona tsara. Raisina amin’ ny sotro rovitra na pince ny sakafo fa […]
Fitantana ny loza: ilaina ny fitaovana ara-kajy mirindra
Notanterahina tany Toliara, ny herinandro lasa teo, ny atrikasa famolavolana ny fitaovana ara-kajy mirindra hanamorana ny fandrindrana ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza eto Madagasikara. Nandray anjara ny BNGRC sy ny mpiara-miombon’antoka aminy. Nodinihina ny lohahevitra momba ny fampitaovana sy ny rojom-pamatsiana ao anatin’ny hamehana. Efa nisy ny zava-bita […]
Fandaharanasa Vikina : tetikasa vaovao 20 hotohanana
20 isan-taona ny tetikasa voafantina avy amin’ny tanora miainga amin’ny olana tsapany eny anivon’ny fiarahamonina ka navadika ho asa maharitra mamaha ilay olana, nomena ny anarana Vikina. Vahaolana amin’ny lohahevitra efatra no afaka mifaninana ka mbola mandalo sivana ny tetikasa voaray rehetra. Fitantanana mahomby, fiovan’ny toetr’andro, famoronana asa mendrika, tontolo […]




