Lehilahy iray tsy nisy loha indray no hitan’ny fokonolona tao Ilakaka, afakomaly tolakandro. Efa ho telo herinandro io lehilahy io no novonoina raha ny voka-pitiliana nataon’ny mpitsabo. Potika tanteraka ny razana saingy hany sisa namantarana azy ny kara-panondro teny aminy. Mpisandoka ho kalanoro roa lahy voasambotry ny fokonolona tao Andapa, […]
Auteur/autrice : Adnews
VOLA SANDOKA : jiolahy roa nahatrarana vola 1 080 000Ar
Mitohy ny famotorana ataon’ny zandary ireo jiolahy roa nahatrarana vola sandoka mitentina 1 080 000Ar tao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Milanoa, distrikan’i Vohémar, ny 29 novambra 2023 teo. Mampitaraina ny mponina ny fisian’ireo vola sandoka miparitaka ao amin’ ity kaominina ity ka antony nahatonga ny zandary nanao hetsika manokana hamongorana sy hikarohana ireo […]
Mavogisa : dahalo iray maty voatifitry ny zandary
Dahalo iray rotiky ny balan’ny zandary nandritra ny fifandonana tao Mavogisa, fokontany Filanjaza, kaominina Ankilizato, omaly maraina. Nanao fanarahan-dia omby halatra ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ankilizato, rehefa nahazo antso momba ny fisiana dahalo manao fanafihana ao amin’io fokontany io. Dahalo am-polony nirongo basy sy lefona no tompon’antoka tamin’izao […]
Karana vavy voatifitra, very vola iray sakaosy
Lasibatry ny asan-jiolahy tetsy Namontana ny karana mpivady, omaly maraina. Voatifitra teo amin’ny lohany ramatoa. Lasan’ny efa-dahy nitondra basy ny sakaosy nisy vola. Voatifitra teo amin’ny faritry ny lohany, tsy nahatsiaro tena ilay karana vavy norobain’ny jiolahy efa-dahy teny amin’ny fokontany Namontana, Boriborintany fahefatra, omaly maraina. Nanao taingin-droa niaraka tamin’ny […]




