Imasoana ny fametrahana indostria eto amintsika. Tafapetraka ny Filankevitra nasionaly ho an’ny indostria eto Madagasikara (CNIM), tamin’ ny 20 novambra teo, tao amin’ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM). Lany ho filoha Rasoamanana Christian. Nanokatra ny fotoana ny minisitra Razafindravahy Edgard. Politika arahina amin’izany ny hoe distrika iray hanorenana indostria […]
Auteur/autrice : Adnews
FANTINA sy FINTINA
Nifarana ny fotoam-piasan’ireo eo anivon’ ny biraon’ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara (CSM). Nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, filoha lefitra fa hatao anio, ny famindram-pahefana ho an’ny birao vaovao. Namory ireo mpanao politika sasany, Ravalomanana Marc, omaly. « Tsy ny toerana na ny voninahitra no tadiavintsika fa ny fanavotana ny […]
Hiffim : “Tsy tenenina fotsiny ny sosialim-bahoaka”
“Anjaran’ny filohan’ny Repoblika ny mijery izay tokony hatao. Nilaza izy fa tazonina izay miasa tsara. Anjarany ny mitsara raha misy niasa tsara”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpitarika ny Hetsika iombonana ho amin’ny fanarenana sy fanorenana ifotony an’i Madagasikara (Hiffim), Andriamiseza Alain, ny amin’izay ho firafitry ny governemanta vaovao eo. Alaina tsirairay […]
Vonjeo ny tantsaha !
Miverina amin’ny laoniny tsikelikely ny andavanandron’ny mponina. Mifanindran-dalana amin’izany koa anefa ny tsy fandriampahalemana. Tena mihorohoro ny mponina amin’izay rehetra aleha. Tena mila vonjy ny any ambanivohitra. Mikaikaika amin’ny hafitsoky ny dahalo. Tsy ny malaso mirongo fitaovam-piadiana ihany fa hatramin’ny dahalo ambony latabatra. Zary tsy matoky intsony ireo mpisehatra […]
Raboanarijaona Holijaona: “Ilaina ny fahamarinan-toeran’ny fitondrana”
Namaly ireo tsikera samihafa momba ny voka-pifidianana ny eo anivon’ny mpomba ny fitondrana. Nambaran-dRaboanarijaona Holijaona fa efa mazava ny momba izany. “Raha tsy misy ny fahamarinan-toerana, tsy misy ilay fomba fitenin’ny filoha Rajoelina hoe tsy maintsy mandroso i Madagasikara”, hoy ny filohan’ny fikambanana Emergence de Madagascar, Raboanarijaona Holijaona, manoloana ny […]




