Miakatra tsikelikely hatrany ny vidim-bary eto an-drenivohitra. Omaly, tafakatra 3 400 Ar ny kilaon’ny vary gasy mena, na 1 000 Ar ny kapoaka etsy amin’ny Pavillon Analakely. Tsy nametraka takelaka milaza ny vidiny ilay mpivarotra, fa lazainy fa mihemotra ny mpanjifa raha vao mahita ny vidiny satria lafo. Amidy 3 […]
Auteur/autrice : Adnews
Renirano Kamoro Maevatanana: mpitrandraka volamena an-tsokosoko tratra
Miverina indray ny fitrandrahana an-tsokosoko volamena ao amin’ny reniranon’i Kamoro any Maevatanana. Nidina ifotony ny minisitera, ka teratany vahiny miisa 10 no tratra. Nahazo fitarainana ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika (MMRS), fa misy indray ireo mpitrandraka volamena an-tsokosoko ao amin’ny reniranon’i Kamoro, kaominina Marokoro, distrika Maevatanana. […]
TARATRY ny KANTO
Hotanterahina eny amin’ny Lapan’ny Akademia Malagasy, Tsimbazaza, ny « Andro Régis Rajemisa-Raolison ». Lohahevitra amin’izany ny « Régis Rajemisa-Raolison, (1913-1990) : oloben’ny teny, ny literatiora, ny kolontsaina malagasy ary ny fampianarana sy ny fanabeazana ». Hetsika hotanterahina ny alakamisy 7 desambra, manomboka amin’ny 9 ora maraina. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny hisian’ny velakevitra miisa 5 […]
Sitraka Randriamahaly : tafapetraka amin’ny toerany
Anisan’ny Malagasy mpanatontosa sarimihetsika nisongadina nandritra iny «Madagascourt Film Festival» (MFF), andiany faha-180 farany teo iny, i Sitraka Randriamahaly. Voafidin’ny mpitsara homena ny « Mention spéciale », tao anatin’ny sokajim-pifaninanana « Animation Panafricaine » izy, niaraka tamin’ilay horonantsary « Rough world ». Araka ny nambarany, ao anatin’ny vina ny amin’ny hiatrehana ny PIAFF 2024, any Paris izy amin’izao miaraka amin’ny horonantsariny “Rough World”. […]
“World Choral Day”: haneho an-tsehatra ny “Messiah” ny ICanto
Andro iraisam-pirenena ho an’ny antoko mpihira. Mankalaza izany koa isika eto Madagasikara. Seho klasika anisan’ny malaza indrindra no hanamarihan’ny ICanto izany. Nanomboka ny taona 1990 no nanamarihana ny « World Choral Day ». Nosafidiana maneran-tany fa isaky ny alahady faharoan’ny volana desambra no hatokana ho an’ireo antoko mpihira, ka miovaova ny daty, araka izany. […]




