Niatrika ny fifaninanana “Grand Slam de Tokyo” tany Japon, ny faran’ny herinandro teo, Rasoanaivo Razafy Laura. Teo amin’ny sokajy -70 kg, Senior no nifaninanany. Raha hiverenana ny vokatra, niady tamin’ilay Judokas Grika, laharana fahefatra maneran-tany, ity Malagasy mpikatroka ity. Noho ny traikefa efa ananan’ny mpifanandrina taminy, resy Rasoanaivo Laura. Nambarany […]
Auteur/autrice : Adnews
Fiba 3×3-Africa Cup : laharana fahatelo ny Ankoay lahy sy vavy
Nifarana omaly alahady, tany Le Caire, Egypte, ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja basikety lalaovin’olona 3. Laharana fahatelo avokoa ny Ankoay lahy sy vavy. Medaly alimo avokoa no norombahan’izy ireo, na ny teo amin’ny sokajy vehivavy izany, na teo amin’ny sokajy lehilahy. Samy niatrika ny lalao fiadian-toerana fahatelo izy ireo. […]
TARATRY ny KANTO
« A Wonderful Christmas Time ». Tontosa ny sabotsy teo, teny amin’ny Ivokolo Analakely, ny « A Wonderful Christmas Time», niarahana tamin’ ny « Voa’Art the National Orchestra of Madagascar » sy ny « Laka Ensemble ». Fampisehoana maroloko sy matihanina ary avo lenta tanteraka no hita teny an-toerana, nahitana hira malagasy sy vahiny maro samihafa. “Diary […]
« Samy mbola hafa » : tsy mbola lefy laza ny tarika ‘Zay sy Tovo Jhay
Tontosa omaly, teny amin’ ny CCI Ivato, ny fampisehoana niarahana tamin’ny Tarika ‘Zay sy ny tarika Tovo Jhay. « Samy mbola hafa », io no lohateny nampitondraina ity fampisehoana ity. Seho miavaka sy avo lenta tokoa no nasehon’ ireto tarika roa samy manana ny maha izy azy ireto. Nandravaka ny fampisehoana ny […]
Ankizy mozika Festival : voatily ny talenta vaovao
Nahafinaritra ! Nahaliana ! Nahavariana ! Manan-talenta ny zaza malagasy !… Ny teny tahaka izany no nifanaretsaka taorian’ny seho sy fifaninanana « Ankizy mozika Festival », notontosaina ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny Kianjan’ny kanto Imahamasina. Manana lenta tsara eo amin’ny hira, indrindra fa ny fitendrena zavamaneno ny zaza malagasy. « Taranja » maro samihafa rahateo no nifandimby […]




