Eo amin’ny tontolon’ny hira, misy ny olona na ny orinasa, tsy manana asa aman-draharaha ankoatra ny mikarakara hetsika (lanonana, fety, …)… Ankehitriny, manomboka miseho amina endrika « fanerana », izany, ho an’ny kabary. Efa zary mahazatra ny sofina ny maheno ny teny hoe : « manera » na « mpanera » na « mpijirika ». Ilay olona manelanelana eo […]
Auteur/autrice : Adnews
FANTINA sy FINTINA
Hatao ny 16 desambra izao ny fianianan’ny filoha Rajoelina Andry, araka ny nambarany teny Ivato, ny zoma teo. Nanteriny fa hisy filoham-panjakana ho avy hanatrika sy hanotrona ny lanonana. Tombanana fa mety hatao etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina izany. Mitsipaka marindrano ny voka-pifidianana navoakan’ny HCC ny Vondron-kery sy antoko mitaky ny […]
Fihaona an-tampony iraisam-pirenena : miatrika ny Cop 28 any Dubaï ny filoha Rajoelina
Tsy an-kiandriandry, efa any Dubaï ny filoha Rajoelina Andry, ny faran’ny herinandro teo. Niatrika ny fihaonana an-tampony maneran-tany handinihana ny fiovaovan’ny toetr’andro (Cop28) ny tenany. Anisan’ireo nihaona taminy ny sekretera jeneralin’ny Frankofonia (OIF), i Louise Mushikiwabo. Voaresaky ny roa tonta ny fizotry ny fifidianana filoham-pirenena teo sy ny ho fanohizana […]
Fihodinana faharoa
Efa naneho ny heviny ny vahoaka tamin’ny fifidianana teo. Tao ny tsy nifidy, ny vato fotsy, ny nifidy kandidà iray… Efa nivoaka ny didim-pitsarana ny amin’izany. Inona na ahoana koa ny manaraka? Ahoana ireo tsy manaiky didim-pitsarana? Na mikiribiby amin’ny heviny nefa efa notsarain’ny vahoaka tamin’ny fifidianana… Mbola hisy […]
Filoha Andry Rajoelina : manao tohy vakana ny fiarahabana azy
Mirarakompana ny fiarahabana ataon’ny filoham-pirenena vahiny ny filoha Rajoelina Andry, taorian’ny namoahan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana ny fahalaniany. Efa manatrika ny hetsika momba ny tontolo iainana COP 28 any Dubaï ny tenany, nandritra ny faran’ny herinandro teo. Anisan’ny nitondra ny fiarahabana sy ny firariantsoa amin’izao hitondran’ny filoha Rajoelina Andry […]




