Izay rehetra namaky, voadona ny fo sy fanahy… Antony voalohany nampalaza ny boky « Mitaraina ny tany », nosoratan’i Andry Andraina. Antony faharoa, anisan’ireo boky tafiditra anatin’ny fandaharam-pianarana, ka ampiasain’ny mpianatra amin’ny kilasy taona faharoa izy ity. Nadikan’Andriamahery Raoelison Théophile Jean na i Tefy, tamin’ny teny frantsay ity boky ity. « De douleur, […]
Auteur/autrice : Adnews
Tetikasa « Kanto Manabe »: tanjona ny hampiditra ny haikanto eo anivon’ny fampianarana
Amperiny tanteraka ny tetikasa “Kanto Manabe”, amin’izao fotoana izao. Sekolim-panjakana telo hatramin’izao no efa niseharan’ny tetikasa, ny LTPGCM Mahamasina, ny Lisea Jules Ferry Faravohitra ary ny Lisea Gallieni Andohalo. Fampianarana momba ny haikanto, indrindra ny sary vita tanana, ny tantarany ary ny manodidina izany no hampianarina ao anatin’izany. Manampy ireo […]
Fampisehoana « Cirque »: hisitraka ny hetsika ny eny Besarety
Hitohy anio, eny amin’ny Kianja mitafo Besarety, ny fampisehoana iarahana amin’ny Aléas Circus. Fampisehoana « Cirque » maimaimpoana ho an’ny vahoakan’Antananarivo sy ny manodidina izy ity. Tanisa, tsingeringerina, hakingan-tanana sy ny nahafantarana ny Aléas Circus hatramin’izay no ho hita mandritra ity hetsika ity. Maimaimpoana, saingy ho an’ny mihoatra ny 14 taona ihany […]
Rindrankira bagasy: any Nairobi Kenya i Mbosa sy i Mimi
Anisan’ny tantara tsy fahita firy eo amin’ny tontolon’ny bagasy. Raha ny kaontinantan’i Eoropa no manavanana ny mpanakanto hanehoana ny talentany hatramin’izay. Niova izany, satria, nisafidy ny atsy Afrika i Mbosa sy i Mimi. Rahampitso, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro (ora any an-toerana), ao amin’ny Hekim University Riara Road, hanakoako ao Nairobi Kenya […]
Samia masina amin’ny teniny: sarotra homen-danja ny fandikan-teny
Misy boky voasoratra amin’ny teny vahiny, adika amin’ny teny malagasy. Ao ny boky amin’ny teny malagasy hadika amin’ny teny vahiny. Mety tsy ho boky iray manontolo koa anefa fa mety ho lahatsoratra na tononkalo iray na roa no adika amin’ny teny hafa. Misy fiantraikany any amin’ny hasin’ny soratra izy ireny. […]




