Auteur/autrice : Adnews

INDRAY MIJERY

Nanaovana andrana tao amin’ny dis­trikan’­ Ifanadiana sy Soavinandriana ny pilina misy singam-pamelomana, ahitana vitamina 10 sy mineraly dimy ho an’ny vehivavy mitondra vohoka. Nahazoana vokatra nahafa-po ny tetikasa. Manampy ny reny bevohoka; mampihena ny taham-pahafatesana eo am-piterahana sy mampirindra ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza io pilina io Mety hanamora […]

Curesure Medico : “Ny aretina tsy mifindra no hitsaboan’ny Malagasy tena any India”

200 000 isan-taona ny afrikanina tonga mitsabo tena any amin’ireo hopitaly any India, indrindra ireo tratran’ny aretina tsy mifindra toy ny fo, voa, tratra… Tsy vitsy ny Malagasy misafidy ny hanaraka fitsaboana na fandidiana any an-toerana rehefa tsy vita eto amintsika. Hametraka fiaraha-miasa hanamorana ny fahazoan’ny Malagasy misitraka fitsaboana any […]

Sehatrasa maro : hatao manaraka ny fenitra

Notanterahina omaly, tetsy Ampefiloha, ny atrikasa ho amin’ny fampanaraham-penitra ireo tanora mpisehatra amin’ ny asa tanana. Nitarika izany ny komity (Copil), ahitana ny avy amin’ny minisiteran’ny Fanofanana arakasa sy ny minisiteran’ny Asa tanana ary ny avy amin’ny Tahiry ho an’ny fanofanana (FMFP). Tanjona ny hametrahana rafitra ho amin’ny fanofanana ireo […]

Governoran’Analamanga-OIF : sefo fokontany 200 hofanina momba ny sora-piankohonana

Miainga eny amin’ny fokontany ny fanentanana ny reny hanoratra haingana ny zanany vao teraka eny amin’ny kaominina mba hisitraka kopia. Nofanina hahafantatra ny andraikiny ireo sefo fokontany 200.. Nosantarina teny amin’ny distrikan’Antananarivo Avaradrano, kaominina Ankadikely Ilafy ny fampiofanana ireo sefo fokontany mahakasika ny sora-piankohonana. Ireo sefo fokontany ireo no hivoy […]

TARATRY ny KANTO

Karibotel – Zandry Gasy. Fotoan-dehibe ho an’ny tarika sy ireo mpankafy azy, satria izay indray vao ho hita an-tsehatra ry zalahy. Hanomboka amin’ny 8 ora sy sasany ny seho, iarahana amin’ny Zandry Gasy amin’ny endriny vaovao. Niampy mantsy ny mpikambana ary nanantombo ihany koa ny hira vaovao, zay ho santionany […]