Auteur/autrice : Adnews

Olana maneran-tany : herisetra mifototra amin’ny maha vavy ny aretina mamany lava

Vahaolana isorohana ny aretina mamany lava ny tsy firosoana amin’ny firaisana ara-nofo aloha loatra ka hitondrana vohoka. Ireo toerana lavitra toeram-pitsaboana matetika no ahitana ny tranga satria tara ny fandraisana an-tanana ireo vehivavy mpiteraka. Olana eo amin’ny fahasalamam-bahoaka maneran-tany ny aretina mamany lava miseho amin’ ny vehivavy saro-piterahana mila fandidiana […]

Fihaonana teny Tsimbazaza: hamoaka ny fehinkevitra ireo mpanelanelana, anio

Hivoaka, anio hariva, raha tsy misy ny fiovana ny fehinkevitry ny fihaonana mikaton-trano natao teny amin’ny La­pan’i Tsimbazaza. Nitarika ny fanelanelanana tamin’izany ny filohan’ny Antenimieram­pire­nena (Pan), Razanamahasoa Christine, sy ny filohan’ny FFKM sady filohan’ny FJKM, ny mpitandrina Andriamaha­zo­soa Irako Ammi, ary ny je­neraly misotro ronono, Rama­kavelo Desiré. Anisan’ny noraisin’izy ireo tamin’izany ny vondron’ny kan­didà 10 […]

KMF/Cnoe: “Miharatsy ny kalitaon’ny fampielezan-kevitra”

Nanao tatitra ny fanaraha-maso ny fiainam-pirenena ny eo anivon’ny KMF/Cnoe, oma­ly, tetsy Antanimena. Anisan’ izany ny momba ny zotram-pifidianana ka nilazan’izy ireo fa ny omaly tsy miova ihany izany. “Mihen-danja sy miharatsy kalitao ny fampielezan-kevitra. Tsy ampy ny fanabeazana sy fanaikana ny mpifidy ataon’ny Ceni eny amin’ny haino vaky jery […]

Kandidà laharana fahatelo: « Ho atao manakaiky kokoa ny vahoaka ny fampandrosoana.”

Nanome toky ny vahoakan’ny faritra Sava ny kandidà laharana fahatelo ny hitohizan’ny fananganana fotodrafitrasa mba hampisy fampandrosoana bebe kokoa eny ifotony. Nandritra izany ihany koa no nanolorany vahaolana mahakasika ny vidin’ny lavanila. Nitohy tany amin’ny distrika maro, ao amin’ny faritra Sava, ny fampielezan-kevitry ny kandidà, Rajoelina Andry. Tao amin’ny kaominina Ampanefena, tao Andapa ary […]

Ceni: “Tsy ahina ny fanatanterahana fifidianana”

Tsy tokony hisy ny ahiahy ny amin’ny fahatongavan’ireo fitaovana amin’ny fifidianana eny amin’ny birao fandatsaham-bato amin’ny daty hanaovana fifidianana, araka ny fanazavan’ny ny tale kabinetran’ny Ceni, Andriamifidy Jean-Louis, ny amin’ireo fitaovana hanatanterahana fifidianana. Anisan’izany ny biletà tokana, ny fitanana an-tsoratra (PV), ny vata fandatsam-bato… “Efa nandray ny fepetra rehetra ny […]