Auteur/autrice : Adnews

Naina, mpiseradia anaty ala

Nandimby ny raiko izay mpisera-dia ho an’ny fikarohana tao amin’ny Gerp aho, nanomboka ny taona 2016. Lasa mpitari-dia ho an’ny mpizahatany nanomboka ny 2019. Nam­pia­narina hahay teny vahiny, ny karazan-javamaniry sy biby ao anaty ala, toy ny sifaka, ny babakoto, ny sahona, ny vorona, sns. Eo koa ny fahaizana mandray […]

“Aotra afo” any Maromizaha: Arovana ny voahary, miova ny toe-tsaina

Tsy nahitana afo intsony ny atialan’i Maromizaha, hatramin’ny niarahan’ny Gerp sy ny mponina nitantana ity Faritra arovana ity. Nivoatra ny velon-tenan’ny mponina ary niova ny toe-tsain’izy ireo. Anisan’ny marefo manoloana ny tsindry amin’ny tontolo iainana ny alan’i Maromizaha, 140 km miala an’Antananarivo, manamorona ny lalam-pirenena faharoa RN-2. Nahazo ny sata […]

TARATRY ny KANTO

« Le Mystère d’Octobre ». Haseho an-tsehatra, anio, eny amin’ny AFT Andavamamba, ny teatra “Le Mystère d’Octobre”, iarahana amin’ny Tropy mpiangaly teatra avy ao amin’ny Lycée Jules Ferry. Ity fampisehoana ity no entina hamaranana ny “Festival des Livres Thrillers”, andiany faharoa. Kilalaon-tsaina. Ao anatin’ny fampiofanana sy fampianarana mahakasika ny Fanorona […]

Asa soratra ho an’ny ankizy: hivoaka ny volana novambra ny « Amboaran’angano-Recueil de contes »

Hanomboka ho hita eny amin’ny trano famakiana sy fivarotana boky, ny tapaky ny volana novambra 2023, ny bokin’angano «Amboaran’an­gano-Recueil de contes», notontosain’i Arikaomisa Randria sy i Max Razafin­drainibe, niara-niasa tamin’ny edisiona Jeunes malgache. Ny kilonga madinika no tena kendrena amin’izay vokatra izay. Amin’ny teny malagasy sy frantsay ity bokin’angano ity […]