Nifarana omaly alahady 29 oktobra, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifaninanana nasionaly N1A, lahy sy vavy, taona 2023. Voahosotra ho tompondaka ny Mb2All sy ny GNBC. Niady tanteraka ny lalao famaranana, na teo amin’ny sokajy lehilahy izany na ny sokajy vehivavy. Nampiseho ny maha ekipa sangany azy avokoa ireo […]
Auteur/autrice : Adnews
TARATRY ny KANTO
Logos Hope. Nigadona tao Antsiranana, ny faran’ny herinandro teo, ny Logos Hope, sambo famakiam-boky sy mivarotra boky lehibe indrindra, izay mitety firenena maro. Hatramin’ny 12 Novambra moa izy no hijanona ao an-toerana, ka azon’ny rehetra tsidihina. Maimaimpoana izany ho an’ny ankizy latsaky ny 12 taona. Efa madiva hifarana ny « Festival […]
Fondation H : mitombo ny fotodrafitrasa ho an’ny haikanto
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, ny lanonana fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny efitrano famakiam-bokin’ny Fondation H, Ambatomena. Ivontoerana anisan’ny manome lanja sy mampiroborobo ny haikanto sy ny kolontsaina maro samihafa. Mampiavaka ity fotodrafitrasa vaovao ity ny fanasongadinana ireo asasoratra mahakasika ny haikanto ankehitriny. Maro ireo mpahay kanto niara-nisalahy tamin’ny fanatontosana ity efitrano […]
Farakely sy Rija R. : hamelona ny hiran’ i Bessa sy i Lôla
Maro ny karazan-tseho nanaovana ny sanganasan’i Bessa. Iray amin’ireny ny hotontosaina ny alarobia 1 novambra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, etsy amin’ny CCEsca Antanimena. «Ny kanton’i Bessa sy i Lôla, hokaloin’i Rija Ramanantoanina sy i Farakely », no lohahevitra nosafidin’ny mpikarakarara. « Hevitra avy amin’ny mpikarakara manontolo izy ity. Nosafidin’izy ireo […]
Tsy mpampiala voly fotsiny… : tompon’andraikitra koa ny mpanakanto
Karama fotsiny, ho an’ny sasany. Adidy amin’ny firenena kosa, ho an’ny hafa. Na inona na inona fironana, tompon’andraikitra amin’ny raharaham-pirenena ny mpanakanto. Mpanabe ny mpanakanto. Manana adidy goavana amin’ny mpiara-belona aminy izy ireny, indrindra ireo mpanao mozika. Efa adidy sy andraikiny ny mampiala voly, saingy tsy izay ihany. Isaky ny […]




