Hotanterahina anio sy rahampitso ny fandidiana ny areti-maso katarakta ao amin’ny CHU Anosiala, karakarain’ny hopitaly sy ny Pneumo-Aide. Aretina mpahazo ny zokiolona matetika ny katarakta. Tsiahivina fa vao tamin’ny tapa-bolana no nisy ny hetsika fanalana nify maimaimpoana teny an-toerana. CSB miisa 32 ao amin’ny faritra Analanjirofo no nahazo ny anjara […]
Auteur/autrice : Adnews
Pr Hasiniatsy Rodrigue: azo sorohina ny homamiadan’ny nono
Mifarana ny volana natokana hoenti-miady amin’ny homamiadan’ny nono. Mizara ny traikefany sy ny fomba tsotsotra azo hisorohana izany ny profesora Hasiniatsy Rodrigue. Ity farany izay filohan’ny fikambanan’ny mpitsabon’ny aretina homamiadana eto Madagasikara (Arom). Misy ireo tranga mampitombo ny fahazoana ny aretina saingy azo sorohina. Zava-dehibe ny fanaovana fanatanjahantena 30 minitra […]
Fahaiza-mitarika: hofantenana ireo mpikam- bana ao amin’ny AWLN
Hisy ny fifantenana ireo mpikambana ho ao amin’ny tambajotran’ny vehivavy afrikanina mpitarika eto Madagasikara (AWLN). Manao tan-tsoroka amin’izany ny UNFPA sy ny birao mpanatanteraka vonjimaika izany tambajotra izany. Manentana ireo andriambavilanitra afaka handray anjara amin’ny fifantenana ireo mpikambana ireo ny UNFPA. Anisan’ny masontsivana ny fahafenoan’ny taona (miohatra ny 21 taona). […]
Fitaterana amin’ny taksiborosy : mila hajaina ny haavon’ny entana, 80 cm
Hentitra ny ATT amin’ny fampiharan-dalàna mahakasika ny fanajana ny bokin’andraikitra. Mila hajaina ny haavon’ny entana 80 cm ambony tafona taksiborosy hampihenana ny tahan’ny lozam-pifamoivoizana. Nampahatsiahy ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT) fa tsy azo atao ny mitondra entana miohatra ny 80 cm ny haavony eo ambony tafon’ny fiara. Ambony […]
« Championnat National Scolaire » : misongadina ny CEG Mahabibo U-15
Notanterahina nanomboka ny sabotsy 28 oktobra lasa teo, teny Mahamasina, ny fifaninanana « Championnat National Scolaire », taranja baolina kitra. Ireo mpianatra eny anivon’ny CEG no mandray anjara amin’izany. Nandritra ity andro voalohany ity, ny ekipan’ny CEG Mahabibo no hita fa misongadina amin’ity fifaninanana ity. Nahazo fandresena roa izy ireo. Lavon’izy ireo […]




