Auteur/autrice : Adnews

«Basikety N1A» : hifanandrina voalohany ny Ascut sy ny As Fanalamanga

Hanomboka anio alakamisy 19 oktobra, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara N1A lahy sy vavy. Hisantatra ny fifaninanana ny Ascut sy ny AS Fanalamanga, eo amin’ny sokajy lehilahy. Ekipa mendrika indrindra, nandritra ny dingana voalohany, miisa 8, ny hiady ny amboara, eo amin’ ny sokajy […]

Hetsika tetsy Tanjombato : nanelanelana ny mpitandro filaminana

Voasoroka ny fifandonana teo amin’ireo samy sivily manaraka ny hetsiky ny kandidà 11 andaniny sy ireo mpomba ny laharana fahatelo ankilany, teny Tanjombato, omaly. Samy nanainga teo amin’ny kaominina Tanjombato avokoa na ny hetsi-bahoaka notarihin’ny kandidà 11 na ny fampielezan-kevitra nataon’ny so­lontenan’ny kandidà laharana fahatelo. Niatrana teny an-toerana anefa ny […]

Collectif des travailleurs : miantso fifampi­dini­han’ny mpiasa malagasy rehetra

Hikarakarakara fivoriambe iombonana (AG) ny vondron’ny mpiasa malagasy “collectif des travailleurs” ny zoma izao, etsy amin’ny Live Hotel Andavamamba. Miantso ny mpiasa malagasy rehetra miankina na tsy miankina, ireo tomponandraikitra rehetra eto amin’ny firenena, ny miaramila misotro ronono, ny mpiara-mikatroka…izy ireo mba hanatrika izany. Tanjona ny hijerena vahaolana mahakasika ny […]

Toamasina : maty voafaokan’ny fiara ilay vehivavy

Nipitika rehefa voadonan’ny fiara nirimorimo, vehivavy iray namoy ny ainy, tao Ambalamanasy, ny alatsinainy 16 oktobra. Maty teo no ho eo, voadonan’ny fiara nandeha mafy ny vehivavy iray niampita arabe, tao amin’ny lalam-pirenena fahadimy, teo Ambalamanasy mihazo ny seranam-piaramanidina,  afakomaly tamin’ny 12 ora sy 30 minitra. Niaraka tamin’ny na­many maromaro […]

INDRAY MIJERY

Hitandroana ny fahasalamana, misy fihetsika tsara ho fantatra manoloana ny vanim-potoana ma­fana. Ilaina ny misotro rano madio matetika, 1,5 l isan’ andro, ny mitondra fitafiana maivana sy satroka. Tokony hatao azon’ny rivotra tsara ny trano fonenana sy ny toeram-piasana ary aleo mipetraka amin’ny toerana maloka sy mangatsiatsiaka. Zava-dehibe ny fahadiovan’ny […]