Nisy hetsika fanentanana ho fanoherana ny herisetra ara-nofo eny anivon’ireo ivontoeram-panofanana teknika sy arakasa tany Antsirabe, tamin’ity herinandro ity ary hifarana anio. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa «Trade for decent work» karakarain’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny asa (OIT) ho an’i Madagasikara, Comores, Maurice ary Seychelles ny hetsika. Vatsin’ny Vondrona eoropeanina […]
Auteur/autrice : Adnews
Olana sosialy eny amin’ny Onivesite : mangataka vahaolana anatin’ ny 72 ora ny mpianatra
Miantso ny fanjakana hitondra vahaolana amin’ny olana sosialy mihatra aminy ny mpianatra amin’izao fotoana izao. Tsy mbola mitohy ny fampianarana. Manome 72 ora ny fitondrana hamahana ireo olana samihafa miseho eny amin’ny oniversiten’ Antananarivo ny fikambanan’ ny mpianatra amin’ny faritra 23, araka ny fanambarana nataon’izy ireo, omaly. Singaniny amin’izany ny […]
CNIDH: “Atsaharo ny herisetra sy ny fihantsiana”
Namoaka fanambarana, manoloana ny toe-draharaham-pirenena, mifandraika amin’ny fiarovana ny zon’olombelona, ny eo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny zon’olombelona (CNIDH), omaly. “Aoka atsahatra ny teny sy fihetsika feno fihantsiana ka miteraka fifandonana eo amin’ ny samy mpiray tanindrazana”, hoy izy ireo. Anisan’ny iantefan’ny antso ny fanjakana, olom-boafidy, Andrimpanjakana, mpanohana sy ny […]
Depiote IRD: “Helohinay ny lahatenin-dRazanamahasoa Christine”
Nanao fanambarana ireo depiote maro anisa miaraka amin’ny tsy miankina, omaly. “Manameloka sy mitsipaka tanteraka ny lahatenin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, tamin’ny fanokafana ny fivoriana, ny talata teo izahay”, hoy izy ireo. Nohitsin’izy ireo fa tsy nifampierana sy tsy nifanekena ny nambarany. Tsy maneho ny hevitry ny depiote maro anisa […]
Fahamatorana fa tsy fahatahorana politika
Amin’ny fifidianana toy izao, tenenina mandrakariva ny hoe vahoaka tompon’ny teny farany, masi-mandidy, andriamanjaka. Mby aiza? Kibo mitsara tena ny tsirairay. Tena mahalala ny ataony sy izay fanapahan-keviny amin’izany ve? Na hoe avoivoin’ny rivotra fotsiny na manaraka ny onjany… Izay ironan’ny besinimaro no heverina sy ekena ho mety sy marina […]




