Hikarakarakara fivoriambe iombonana (AG) ny vondron’ny mpiasa malagasy “collectif des travailleurs” ny zoma izao, etsy amin’ny Live Hotel Andavamamba. Miantso ny mpiasa malagasy rehetra miankina na tsy miankina, ireo tomponandraikitra rehetra eto amin’ny firenena, ny miaramila misotro ronono, ny mpiara-mikatroka…izy ireo mba hanatrika izany. Tanjona ny hijerena vahaolana mahakasika ny zava-misy sy ny toe-draharaha politika misy ankehitriny. Manery ny hisian’ny fifampidinihana sy fifandaminan’ny mpanao politika eo am-panajana ny lalàna mba hamahana ny olana. “Hanarinay mpiasa malagasy ianareo mpanao politika rehefa tsy mahay mifandamina”, hoy ny mpitondra tenin’ny sendikà, Ratolojanahary Maharavo, nandritra ny firesahan’izy ireo tamin’ny mpanao gazety omaly, tetsy Anosy.
“Manamafy fo ny mpanao politika sy ny mpitolona ankehitriny, tsy mety ny fifamonoana sy fifampihantsiana eny an-dalana eny”, hoy izy nanamafy. Nilaza izy ireo fa miha tandindonin-doza hatrany ny fiainam-bahoaka sy ny firenena manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny. Hifandrafy ny olona eto amin’ny firenena raha mbola mitohy ny zava-misy amin’izao fotoana izao, raha ny fanazavana hatrany. Sady lasibatra no mety hitondra vahaolana amin’izao zava-misy izao ny vahoaka malagasy rehefa tsy manaiky viravirain’ny mpanao politika intsony. Hodinihina mandritra io fotoana io ihany koa ny fomba hitondrana ny tolona sendikaly.
Mino




