Auteur/autrice : Adnews

“Madagascar Tennis Project” : hampiofana sy hizara traikefa i Miary Zo

Taorian’ny nahazoany ny mari-pahaizana DEJEPS Tennis, ho avy eto Madagasikara, hampiofana sy hanome ny fahalalany ho an’ireo kilonga sy mpanazatra, Rakotondramboa Miary Zo, Malagasy mpilalao tenisy, monina any Frantsa. Handalo eto an-tanindrazana, Rakotondramboa Miary Zo, ilay Malagasy mpilalao tenisy, tomponda­kan’i Madagasikara intelo misesy, sokajy “junior”, saingy efa miasa sy monina […]

INDRAY MIJERY

Hotanterahina amin’ny herinandro ambony ny hetsika fanaovam-baksiny miaro amin’ny lefakozatra natokana ho an’ny ankizy latsaky ny 15 taona manerana ny Nosy. Ilaina ny manamafy ny hery fiarovana amin’ny vaksiny atete indroa ao am-bava satria mbola ambony ny tahan’ny fangerena ankalamanjana mampitombo ny fiparitahan’ny loto sy ny otrikaretina. Hisolo toerana ny […]

« Sekoly Telma » : EPP 5 natsangana any Vatovavy sy Fitovinany

Nanangana EPP 5 any amin’ny faritra Vatovavy sy Fitovinany, ny Fondation Axian sy ny Telma Madaga­sikara. Tanjona ny hanohizana ny fanohanana ny fanabeazana ho an’ireo zaza malagasy eto amin’ny Nosy. Tamin’ny alalan’ny fandaharanasa “Sekoly Telma” no nahafahana nanangana izany. Ni­sitraka io fotodrafitrasa io ny mpianatra maherin’ny 750, monina any amin’ny […]

Antananarivo : ambony ny maripana, maloto ny rivotra

Miakatrabe mihoatra amin’ny tokony ho izy ny maripana farany ambony eto amin’ny faritra Analamanga tao anatin’ny roa andro, fa rahampitso vao hidina izany, vokatry ny rotsakorana hiseho. Eto Antananarivo Renivohitra, mahatratra 34°C ny maripana ambony indrindra ary 35°C any amin’ny distrikan’Ankazobe. Tsy misy latsaky ny 30°C ny maripana izany ho […]