Auteur/autrice : Adnews

49,8% ny ankizivavy mahatody 7ème (T5) : mila ampianarina hisorohana ny vohoka aloha loatra

Maneran-tany, tsy mahavita ny kilasy de 3ème (T9) ny zatovovavy iray amin’ny dimy, ary tsy mahatody hatramin’ny kilasy famaranana ny ankizivavy efatra amin’ny 10. 49,8% ny tahan’ny fahavi­tan’ny ankizivavy ny ambaratonga fototra eto amintsika, araka ny fanadihadiana momba ny mponina sy ny trano fonenana, RGPH 2018. Zatovovavy iray amin’ny efatra […]

Kandidà Andrianainarivelo Hajo: “Nopotehin’ny mpitondra ny Andrimpanjakana”

Nahitsy ny kandidà, Andria­nainarivelo Hajo, tao amin’ny fahitalavitra TV5 Mon­de, manoloana ny fiainam-pirenena. ”Very hasina ny sata repoblikana noho ny fanitsakitsahana ny Lalàmpa­norenana sy ny lalàna velona”, hoy izy. Noraisiny ho ohatra ny fanelingelenana mba tsy ho tratry ny fitsipaham-pitokisan’ireo depiote maro anisa ny praiminisitra. Ny fanomezana fahefana vonjimaika ny governemanta rehefa voatery nametra-pialana tsy ho filohan’ny Re­pobli­ka, Rajoelina Andry. Tokony ho ny filohan’ny […]

Antoko Fiombonana: “Aoka ho tony sy hitandrina isika…”

Nanao antso avo ho an’ny vahoaka ny antoko Fiombo­na­na. “Aoka mba ho tony sy hitandrina amin’ireo fihantsiana sy fanakorontanana maro samihafa”, hoy izy ireo. No­tsin­drin’izy ireo koa fa miara-dia amin’ireo Vondron’ny kandidà 11 ny Fiombonana ary anisan’ny mitaky ny fampitsaharana tsy misy fepetra ny fanaovana herisetra sy ny famonoana ny mpiray tanindrazana. Ilaina koa ny […]

Kandidà Andry Rajoelina : “Tsy nisy nahavita ny vitantsika”:

Nitohy tany Anivorano, Diana, indray ny fampielezan-kevitry ny kandidà Andry Rajoelina, omaly. Notanisainy tamin’izany ireo zava-bita sy ny hanohizana ny efa natomboka. Nambarany fa ao am-pony sy tiany Antsirana­na ka nilazany fa hiaraka hatrany noho ny fifankatiavana efa mitoetra. “Tsy mbola nisy filoha na mpitondra nahavita be izany teto. Maro ireo nampanantena saingy […]

Fivorian’ireo loholona: handraisana fepetra Razafimahefa Herimanana

Mirona mankany amin’ny fanonganana? Nanao fanambarana ireo loholona miisa 14, tetsy Anosikely, omaly. “Tsy maintsy mandray andraikitra ny loholona ka hangataka fivoriana tsy ara-potoana amin’ny governemanta hampiantso izany ahafahana mandinika ny fepetra tokony horaisina anatin’ny fotoana faran’izay haingana”, hoy izy ireo. Notani­sain’izy ireo amin’izany fa tsy kilalao ny fiainam-pirenena ary midika ho tsy fahamatorana ny fihetsika nasehon’ny […]