Auteur/autrice : Adnews

Nandroba manamboninahitra : Efa-dahy naiditra am-ponja eny Antanimora

Niakatra fampanoavana, naiditra am-ponja avokoa ireo efa-dahy tratra namaky tranona manamboninahitra misotro ronono iray tao amin’ny fokontany Tanjondava, kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohi­dratrimo, ny 26 marsa teo. Nivoaka maraina ny trano fonenany, tamin’ny 4 ora, handeha hamonjy toeram-pitsaboana ny tompon-trano ny alarobia 25 marsa teo. Na­nararaotra ireo jiolahy ka nampiasa fitaovana mandeha […]

Miankindoha tamin’ny rôrô: Lehilahy nifamonjena tao am-ponja

Nifamonjena tao amin’ny fonjakely nihazonana azy, omaly, ny lehilahy iray voasambotry ny polisy. Nihetsika tampoka ny filan’ny vatany izay efa zatra niankindoha tamin’ny zava-mahadomelina mahery vaika “heroïne” fantatry ny besinimaro hoe “rôrô”. Nampananosarotra ho an’ny mpitandro filaminana izay mbola misahana ny famotorana azy ny fihetsik’io lehilahy io. Raha atsidika, voasambotry […]

Lalao ara-pirahalahiana : Hitsapa ny heriny amin’i Kirghizistan i Madagasikara

Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianja Callista Sport Center Belek, Antalya Torkia, ny fihaonana eo amin’ny Barean’i Madaga­sikara sy i Kirghizistan. Sam­bany ho an’ny Malagasy ny hifanandrina amin’ireo ekipa nasionaly avy ao Azia. Araka ny fikarohana natao, ekipam-pirenena faha-103 ao amin’ny filaharan’ny Fifa izany Kirghizistan izany, raha toa ka aorian’izy ireo […]