Notontosaina ny afakomaly teo, tao amin’ny Kianja Gillette Stadium any Etazonia, ny fifanandrinan’ny Seleçao, Bresil sy ny Les Bleus, France. Lavon’ny ekipam-pirenena frantsay, tamin’ny isa mazava 2 no ho 1, ny brezilianina tamin’ity fihaonana ara-pirahalahiana ity. Nahatafiditra baolina iray, tamin’izany, i Kylian Mbappé, frantsay lohalaharana.
Auteur/autrice : Adnews
Rallye malagasy : «Haverina ny fiaraha-miasa amin’ny Fia», hoy Rabekoto Jeannot
Fanohizana ireo ezaka efa natomboka tany amin’ny Tetezamita, ny an-dRabekoto Jeannot, filohan’ny Fédération sport automobile malagasy vaovao. Laharam-pahamehana ny famerenana ny rallye ho anatin’ny Federasionina iraisam-pirenena (Fia). Resadresaka natao taminy. Gazety Taratra (*) : Inona ny tena maika indrindra ho an’ny rallye malagasy Rabekoto Jeannot (-) : Haverina haingana ny […]
INDRAY MIJERY
Fanentanana sy fampianarana maro samihafa, arahina tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana, no entin’ireo mpiasan’ny fahasalamana ao Toamasina II. Manohana ireo vahoaka eny ifotony, ahafahan’ny tsirairay manana vatana tomady entina mihary indray sy manarina ny fahavoazana izy ireo. Izany no ezaka fanarenana taorian’ny rivodoza. Fanentanana sy fitiliana maimaimpoana tao amin’ny fonjaben’Ambatondrazaka no nentina […]
« Elect’Echo » : Hitondra ny feon’ny vehivavy sy ireo sembana
Haharitra 12 volana ny tetikasa «Elect’echo» tanterahin’ny Coalition des radio ho an’ny eto Madagasikara. Hampita hafatra amin’ny alalan’ny fandaharana samihafa vokariny ny onjam-peo sivy mpiara-miasa. Tanjona ny hampiely feo momba ny fampahafantarana ny andraikitry ny olom-boafidy sy olom-boatendry ny tamberin’andraikitra sy ny zo sy adidin’ny olom-pirenena eto amintsika, araka ny […]
Fiantsenana : Efa maro ireo mampiasa karatra Visa niomerika
Efa maro ireo mampiasa ny karatra niomerika hividianana zavatra amin’ny internet eto Madagasikara. Ireo mpanafatra entana ivelany ihany koa dia efa tsy mikirakira vola intsony fa amin’ny alalan’ny karatra niomerika no manao ny fiantsenana. Efa tsy azo hihodivirana intsony ny fampiasana ireny karatra ireny ary efa fizarana sahady amin’ny hoavy […]




