Auteur/autrice : Adnews

Fisorohana ny ady an-trano : vonona hanohy ny fitarihana ny fihaonamben’ny FFKM

Nifarana afakomaly ny fihaonambem-pirenena nokarakarain’ny FFKM, teny Mandriamena Andoharanofotsy. Namoaka fanambarana sy fehin-kevitra taorian’izany izy ireo. Mbola mikasa ny hitarika ny diniky ny mpanao politika mialoha ny fifidianana ireo ray aman-dreny eo anivon’ny fiangonana. “Mahatsapa ny FFKM fa ilaina ny mbola hisiana fifampihainoana sy fifampiresahana eo amintsika samy Malagasy, ahitana […]

Atletisma – 4×100 m vehivavy: mpanjakan’ny ranomasimbe Indianina ny Malagasy

Nandrombaka medaly volamena indray ny atletisma, tamin’ny alalan’ny 100 m inefatra mifampitohy, sokajy vehivavy. Fihaonana notanterahina omaly, teny amin’ny kianja Alarobia. Noporofoin’ny Malagasy fa izy ireo no mpanjakan’ny hafainganam-pandeha eto amin’ny ranomasimbe Indianina. Nihazakazaka voalohany i Sidonie Fiadanan­tsoa, izay niavaka avy hatrany ary nanolotra ny «temoin», tamin’i Haingo izay lasa […]

Rugby: Nandravarava ny Makis

Toy ny nanao fanazarantena ny Makis lahy sy vavy nandritra ny andro voalohany amin’ny fifanintsanana, rugby lalaovina olona 7. Fihaonana, natao teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, omaly zoma. Tsy nisy naharesy mantsy ny Makis. Raha ho an’ny sokajy vehivavy, nomontsanin’ny Makis, tamin’ny isa 33 no ho 0, i Mayotte avy […]

Baolina kitra: hanala vela amin’i La Réunion i Madagasikara

Andro lehibe ho an’ny tantaran’ny Barea de Madagascar ny andro anio. Hiady ny medaly volamena amin’i La Réunion izy ireo. Hotanterahina anio, eny amin’ny kianjan’ny Ba­rea Mahamasina ny famaranana ny taranja baolina kitra, ho an’ity lalaon’ny Nosy 2023 ity. Hifanandrina amin’izany i Madagasikara sy i La Réunion. Araka ny vaovao […]