Niditra tamin’ny andro faharoa omaly, ny fifaninanana karate, tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ao anatin’ny lalaon’ny Nosy. Tsy nionona tamin’ny vokatra efa azo ny alakamisy teo, ny mpikatroka malagasy fa mbola nahazo fandresena hatrany, nahazo medaly volamena 3 sy volafotsy 1 indray. Teo amin’ny sokajy vehivavy, karateka malagasy 2 no […]
Auteur/autrice : Adnews
Tsipy kanetibe: nahazo volamena 2 ny Malagasy
Tsara famaranana ny ekipam-pirenena malagasy teo amin’ny taranja tsipy kanetibe. Fifaninanana, notanterahina teny amin’ny kianja Vontovorona omaly zoma. Nandrombaka medaly volamena 2 mantsy ny olon-telo miaraka lahy sy vavy. Teo amin’ny andriambavilanitra, lavon’i Odile sy i Prisca ary i Mamy niampy an’i Tahina teo amin’ny famaranana, ny ekipa kaomorianina, nahitana […]
Mitohy ny fahombiazana : Medaly volamena 109 ho an’i Madagasikara
Tsy mitsanga-menatra ny Malagasy. Laharana voalohany hatrany eo amin’ny fahazoana medaly volamena. Antenaina hitombo izany amin’ireo ambin-dalao mbola hatrehin’ny atleta. Hifarana rahampitso alahady, ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11, tanterahina eto Madagasikara. Medaly volamena 109, volafotsy 61 ary alimo 73 no eo an-tanan’ny atleta malagasy hatramin’izao. Mbola voatazona ny laharana voalohany […]
Is’Art Galérie : mandranty ny kantony i Mahery Rakotomalala.
Nosokafana ny 31 aogositra ary tsy hifarana raha tsy ny 30 septambra 2023 ny fampirantiana, tanterahin’i Maherisoa Rakotomalala, eny amin’ny Is’Art Galérie Ampasanimalo. « Brulent les masqus » io no lohatenin’ity fampirantiana ity. Am-polony ny asa tanana haseho ao, asa tanana izay manana ny mampiavaka azy. Maro sahady ireo efa tonga nijery […]
TARATRY ny KANTO
Village Culturel Andohatapenaka. Mitohy hatrany ny fampialana voly, eny amin’ny an-toerana, ato anatin’izao lalaon’ny Nosy izao. Ho an’ny fampisehoana anio, hanafana ny sehatra ny Reko Band, Trio II G5, Denise. Mbola mitohy ihany koa ny ranty samihafa maneho ny hakanto sy ny maha izy ireo nosy ato amin’ny ranomasimbe Indianina. […]




