Auteur/autrice : Newsmada

FJKM Tranovato Ambatonakanga – Lehilahy Midera : homarihana ny faha-185 taonan’ny maritiora Malagasy

Ho feno 185 taona, ny alahady 14 aogositra izao ny namonoana an-dRasalama, maritiora kristiana voalohany teto Madagasikara. Hanamarika izany amin’ny fomba miavaka ny FJKM Tranovato Ambatonakanga amin’ny maha Fiangonana malagasy voalohany azy. Fanamarihana hotanterahina ny 14 aogositra izao, manomboka amin’ny 9 ora sy sasany maraina. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny toriteny […]

Ady amin’ny Covid-19 – Magadasikara: nahazo fitaovana hanarahana ireo vita vaksiny

Nanolotra fitaovana informatika, Covax traker, ho an’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny governemanta amerikanina, amin’ny alalan’ny USAID. Natao indrindra hanatsarana ny fanaraha-maso ny fivoaran’ny tahan’ny fanaovam-baksiny hiadiana amin’ny valanaretina covid-19  eto Madagasikara izany. Amin’ny alalan’ny fampiasana ity fitaovana ity, azo jerena haingana amin’ny  internet ny fizotran’ny fanaovam-baksiny amin’ny toerana samihafa. Hahafahana manao […]

Fahasalamana:  hapetraka eny amin’ny CSB ny fitiliana  ny nendran-drajako

Hamehana ara-pahasalamana maneran-tany ny nendran-drajako. Mailo i Madagasikara ka hametraka fitiliana ho an’ireo tonga eny amin’ny seranam-piaramanidina. Hapetraka eny amin’ny CSBII ihany koa ny fitiliana. Nilaza ny tale jeneralin’ny fisorohana ara-pahasalamana,  Fidiniaina Andriantsarafara , omaly fa efa eo am-panomanana ny fametrahana ireo fitiliana ny tsimokaretona nendran-drajako eny amin’ny tobim-pahasalamana sy […]

Rugby: Nomen’i Faneva Ima «godasse » ny Makis vehivavy

Mifanohana ny samy mpanao fanatanjahantena. Noporofoin’Andriantsima Faneva Ima, kapitenin’ny Barea teo aloha izany, tamin’ny fanolorany fitaovana ho an’ireo mpilalaon’ny Makis vehivavy hiatrika ny “Mondiaux 2022”.  Na ny sehatry ny baolina kitra aza no nahalalana an’Andriantsima Faneva Ima, kapitenin’ny Barea de Madagascar teo aloha, tsy nanisy elanelana tamin’ireo taranja hafa ny […]