Miisa 25 ireo mpanamory nisoratra anarana hiady ny 1er Grand Prix, taranja karting. Fifaninanana hotanterahina rahampitso alahady 25 mey, eny amin’ny circuit SRK Imerintsiatosika. Mikarakara izany ny klioba Serana Racing Kart. Anisan’ireo hiarika ity dingana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ity Razafindratsimba Mbolara, mpanamorin’ny klioba FMMSAM, ao amin’ny sokajy Elite […]
Fanatajahantena
“FIBA 3X3 Women’s Series”: Handray anjara i Madagasikara
Anisan’ny afaka mandray anjara amin’ilay fandaharanasan’ny Fiba, natokana ho an’ny vehivavy mpanao basikety, 3×3, eto Afrika i Madagasikara, amin’ny maha tompondakan’i Afrika 3×3 ny Ankoay. Araka izany, handray anjara amin’ny “Fiba 3X3 Women’s Series” ny ekipa malagasy, sokajy vehivavy. Raha ny fandaharam-potoana, hizara dingana telo ity fandaharanasa ity ka ny […]
« Yas Coupe de Madagascar » : Klioba 16 hiady ny tapakilan’ny ampahefa-dalana
Hifampitaona etsy By-Pass ireo mpitia baolina kitra, ny faran’ny herinandro ho avy izao. Ho fantatra amin’io fotoana io ireo ekipa valo hanao ny ampahefa-dalan’ny “Yas Coupe de Madagascar”. Hotontosaina anio sy rahampitso, etsy amin’ny Kianja Elgeco Plus By-Pass, ny lalao ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, « Yas Coupe de Madagascar ». Anisan’ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina ny 31 mey sy 1 jona izao, eny amin’ny Tour Orange Ankorondrano, ny fifaninanana “Tournoi Elo Fide”, sokajy -1 600 sy -1 800, taranja lalaon-tsaina Echecs. Ny 26 mey izao ny farany amin’ny fandraisana ny anarana ho an’izay maniry hifaninana amin’izany. Amin’ny 8 ora sy sasany maraina kosa no […]
Kung fu – 45 Taona : Hifanakalo ara-teknika any Maorisy ny Malagasy
Feno 45 taona amin’ity taona ity ny nitsanganan’ny Kung fu Malagasy. Efa nanomboka ny janoary 2025 no nanokafana izany fankalazana izany ary tamin’ny alalan’ny fitetezam-paritra teknika no nisantarana azy. Ankoatra izay, nambaran’ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny Kung fu, Grand Maître Avoko, fa ho feno sy hiavaka tanteraka ny fankalazana. Nanamafy izany […]