Fanatajahantena

Fitantanana ny baolina kitra : Nanakiana izany ireo mpilalaon’ny Barea fahiny

Niteraka fanehoan-kevitra maro ny vokatra azon’ny Barea Madagasikara nanoloana an’i Tanzanie, ny talata lasa teo. Tsy ny teto an-toerana ihany fa na ireo any ivelany aza, indrindra ireo mpilalao nandrafitra ny Barea teo aloha. Samy nanakiana ny fitantanana avokoa izy ireo ary mitaky baolina kitra madio. Tsy mbola levon’ny vavon’­ny […]

Lalaon-tsaina Echecs – Olympiades 2026: Ao anaty «Top 100» ny ekipa malagasy

Nifarana ny alatsinainy lasa teo, tany Samarcande, Ouzbekistan, ny andiany faha-46 amin’ny Olympiades eo amin’ny lalaon-tsaina Echec. Tsy nitsanga-menatra ny ekipam-pirenena malagasy niatrika izany, satria tafiditra ao anaty “Top 100” ny tarika niarahan’ny lahy sy vavy. Teo amin’ny laharana faha-87 tamin’ireo firenena 150 nandray anjara izy ireo. Tsiahivina fa nifaninana […]

INDRAY MIJERY

Nanomboka omaly, teny amin’ny Kianja mitafo Vontovorona, ny fiadiana ny « IHF Trophy », taranja handball, sokajy «sénior », vehivavy ho an’ny faritra faha-7. Firenena dimy no hiady izay ho lohany amin’izany. I Madagasikara mpampiantrano, La Réunion, Mayotte, Seychelles ary i Comores. Haharitra hatramin’ny alahady 4 oktobra izany fihaonana izany. Nitohy tetsy amin’ny […]

Taranja lomano: Tafajoro ny klioba OSA Natation

Nitsangana tamin’ny fomba ofisialy, ny sabotsy 26 septambra 2026 lasa teo, ny klioba amin’ny taranja lomano Onde sportive d’Ankadindramamy (OSA Natation). Raha ny fanazavan’ny mpitantana, Rakotozanany Vahatra Ny Aina Miarimbola, natao ho an’ny daholobe ny klioba. Misy fampianarana ho an’ireo vao hianatra hilomano ary eo koa ny fanatsarana ny fomba […]

Fifanintsanana Can 2027 ; Nanao ady sahala tamin’i Tanzanie ny Barean’i Madagasikara

Sady tsy tsara no tsy ratsy, nanao ady sahala 1 no ho 1, teo anatrehan’ny Taifas Stars Tanzania, ny Barean’i Madagasikara, omaly, tany Maroc. Mbola sarotra ny dian’ny Malagasy mankany amin’ny “Can 2027” anatin’ity vondrona “L” ity. “Tsy nandresy nefa tsy resy!”. Nisaraka ady sahala, 1 no ho 1, ny […]