Mbola mitohy hatrany ny fanomanana ho an’ny klioban’ny CFFA Andoharanofotsy. Raha tsy misy ny fiovana, hanatanteraka lalao ara-pirahalahiana amin’ny ekipan’ny Artis FC, etsy amin’ny Kianjan’ny CFFA Iavoloha, izy ireo, anio, amin’ny 10 ora maraina. Marihina fa hiatrika ny dingana faharoa, fifanintsanana afrikanina, « Ligue des champions Caf », izay hihaonana amin’ny Young […]
Fanatajahantena
Handball – « Can Cadet» : Faha-13 ny Akio Madagasikara
Nifarana omaly, tany Abidjan, Côte d’Ivoire, ny andiany faha-22 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja handball, sokajy «cadet 2026». Farany vao nisy ventiny ny an’ny Akio. Izay vao nahazo fandresena raha niady ny laharana faha-13. Resin’izy ireo, tamin’ny isa 37 no ho 24, ry zareo Zambianina. Fihaonana notanterahina ny […]
Baolina kitra – Fifanintsanana Can 2027 : Hivantana amin’ny Canal Plus ny lalaon’ny Barea
Hifanome tanana amin’ny fampandrosoana ny baolina kitra, indrindra fa ny Barea Madagasikara, ny Federasiona malagasy (FMF) sy ny Canal plus Madagasikara. Handefa mivantana ny lalaon’ny Barea sy i Nigeria ny fantsona Canal plus Sport 1, ny zoma ho avy izao. Manomboka izao, miara-miasa ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy […]
Echecs – Olympiade 2026: Nahazo fandresena 3 ny ekipa lahy sy vavy miaraka
Mbola mitohy any Samarcande, Ouzbekistan, ny “Olympiades” eo amin’ny lalaon-tsaina Echec. Anisan’ ireo firenena mandray anjara amin’izany i Madagasikara ary miatrika ny fifaninanana eo amin’ireo sokajy roa handraisana anjara. Raha ho an’ny vokatra, tsy mitsanga-menatra ny zava-bitan’ny ekipa iarahan’ny lahy sy vavy “mixte”. Tao anatin’ireo fihodinana dimy “round 5” efa […]
Basikety – Mada U18 : Noraofin’Analamanga avokoa ny amboara
Tontosa tany amin’ny ligin’Atsimo Andrefana, ny alahady lasa teo, ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy U18, taranja basikety. Noraofin’Analamanga avokoa ny amboara tamin’izany. Voahosotra ho tompondaka teo amin’ny sokajy vehivavy ny ASA, rehefa nandresy ny MB2 All tamin’ny isa 68 no ho 57. Adin’ny samy ekipan’Analamanga ny azy roa tonta ireo. Voafidy […]





