Fanatajahantena

Handball – « Can Cadet» : Faha-13 ny Akio Madagasikara

Nifarana omaly, tany Abidjan, Côte d’Ivoire, ny andiany faha-22 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja handball, sokajy «cadet 2026». Farany vao nisy ventiny ny an’ny Akio. Izay vao nahazo fandresena raha niady ny laharana faha-13. Resin’izy ireo, tamin’ny isa 37 no ho 24, ry zareo Zambianina. Fihaonana notanterahina ny […]

Baolina kitra – Fifanintsanana Can 2027 : Hivantana amin’ny Canal Plus ny lalaon’ny Barea

Hifanome tanana amin’ny fampandrosoana ny baolina kitra, indrindra fa ny Barea Madagasikara, ny Federasiona malagasy (FMF) sy ny Canal plus Madagasikara. Handefa mivantana ny lalaon’ny Barea sy i Nigeria ny fantsona Canal plus Sport 1, ny zoma ho avy izao. Manomboka izao, miara-miasa ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy […]

Echecs – Olympiade 2026: Nahazo fandresena 3 ny ekipa lahy sy vavy miaraka

Mbola mitohy any Sa­marcande, Ouzbekistan, ny “Olympiades” eo amin’ny lalaon-tsaina Echec. Anisan’ ireo firenena mandray anjara amin’izany i Madagasikara ary miatrika ny fifaninanana eo amin’ireo sokajy roa handraisana anjara. Raha ho an’ny vokatra, tsy mitsanga-menatra ny zava-bitan’ny ekipa iarahan’ny lahy sy vavy “mixte”. Tao anatin’ireo fihodinana dimy “round 5” efa […]

Basikety – Mada U18 : Noraofin’Analamanga avokoa ny amboara

Tontosa tany amin’ny ligin’Atsimo Andrefana, ny alahady lasa teo, ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy U18, taranja basikety. Noraofin’Analamanga avokoa ny amboara tamin’izany. Voahosotra ho tompondaka teo amin’ny sokajy vehivavy ny ASA, rehefa nandresy ny MB2 All tamin’ny isa 68 no ho 57. Adin’ny samy ekipan’Analamanga ny azy roa tonta ireo. Voafidy […]

Fifanintsanana Can 2027: Nantsoina hiaro ny haraton’ny Barea i Sonny Laiton

Namaly hatrany ny hetahetan’ny mpankafy baolina kitra ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy ny mpanazatra ny Barea, Corentin Martins, raha ny vaovao, omaly. Nantsoina hanolo ny toeran’i Zacharie Boucher i Sonny Laiton. «Tafaverina ihany !». Raha ny filazan’ny loharanom-baovao iray, omaly, nantsoina hanampy isa ireo mpiandry haraton’ny Barean’i Madagasikara i […]