Hotanterahina ny 31 mey sy ny 1 jona, eny amin’ny Kianja Elgeco plus, By Pass, ny lalao miverina amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “World Cola PFL”. Araka ny fanadihadiana natao omaly, tsy maintsy tanterahina amin’io ny fifanandrinana miverina, mba hahafahana mahatratra ilay daty 29 jona, hanaovana ny famaranana. Tsiahivina […]
Fanatajahantena
“IHF Trophy Zone VII” : Anisan’ireo hifaninana i Tchad
Afaka 4 andro, hampiantrano ny fiadiana ny ho tompondakan’ny faritra faha-7, taranja handball, sokajy zandriny vehivavy, i Madagasikara na ny “IHF Trophy 2025”. Tafiditra ao anatin’ireo firenena mifaninana i Tchad. Firenena 5 izany no hiady ho lohany. Hotanterahina etsy amin’ ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, manomboka ny talata 27 hatramin’ny sabotsy […]
Kitra – Mandrosoa Andramasina: Mitarika ny Black amin’ny “Tournoi 26 juin”
Efa hiditra amin’ny lalao ampahavalon-dalana tsy ho ela ny fiadiana ny amboara “Tournoi 26 juin” ao amin’ny kaominina Mandrosoa Mandrosohasina, tanterahana eny amin’ny Kianja Ambatobe Staduim. Mitarika vonjimaika amin’ny fananana isa aloha hatreto ny ekipan’ny Black avy ao Mandrosoa, ho an’ny eo anivon’ny vondrona A. Nahazo fandresena indroa miantoana izy ireo. […]
SOMBIM-BAOVAO
Notsenaina tamin’ny fomba makotrokotroka ny ekipan’ny AC Sabnam, ny alatsinainy teo, teny Sabotsy Namehana. Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, sokajy vehivavy izy ireo, ka nanaovan’ireo tomponandraikitra ambony eo amin’ity tanàna ity hetsika manokana. Nifarana omaly, teny Mahamasina, ny fampivondronana ny Barea Chan. Araka ny fantatra, mbola hiverina any […]
CJSOI-andiany faha-13 : Efa anatin’ny fanomanana ireo atleta
Hotanterahina any Seychelles, ny 28 jolay hatramin’ny 10 aogositra izao, ny lalaon’ny Commission de la jeunesse et des sports de l’océan Indien (CJSOI), andiany faha-13. Efa anatin’ny fiomanana avokoa ireo Malagasy atleta isan-taranja hiatrika izany fifaninanana izany. Ho an’ny taranja volley-ball, efa nanomboka ny 21 avrily ny fampivondronana ireo mpilalao. […]