Misolo tena miaro ny voninahi-pirenena malagasy amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ho an’ny sokajy zokiny, « vétérans », atsy Sarajevo, ny 20 hatramin’ny 24 septambra 2026, Randrianjohany Ivan, atleta avy amin’ny Diaspora malagasy Judo. Nihintsana teo amin’ny 1/16ndalana moa ity solontena malagasy ity. Hotontosaina any Fianarantsoa, ny 29 oktobra hatramin’ny 1 […]
Fanatajahantena
Baolina kitra atsy Maurice : Lasa mpanazatra ny ASPL 2000 Rasoanaivo Titi
Nanomboka tamin’ny fanombohan’ny fifanintsanana afrikanina ho an’ireo ekipa tompondaka sy amboara, taranja baolina kitra, fantatra fa hanazatra ny ekipan’ny ASPL 2000 (Association sportive Port Louis) Maurice, Rasoanaivo Titi, eo amin’izany fifaninanana izany. Ekipa tompon’ny amboaran’i Maurice 2026 ary miatrika ny fiadiana ny amboaran’ny kaonfederasionina ny ASPL 2000. Raha tsiahivina, anisan’ireo […]
Volley-ball – “Mada D1” : Hanomboka ny sabotsy izao
Mitohy ny fifaninanana ho an’ny Federasiona malagasin’ny volley-ball (FMVB). Taorian’ny fahavitan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy D2, hiditra an-tsehatra indray ny D1. Hotanterahina manomboka ny sabotsy 26 septambra ka hatramin’ny 3 oktobra izao, eny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano izany. Afaka mandray anjara avokoa ireo ekipa avy amin’ny ligim-paritra mpikambana eo […]
Fifanintsanana Can 2026: Tsy matahotra ny Nizerianina ny Barea
Hiakatra an-kianja rahampitso, atsy Uyo, Nigeria, ny ekipam-pirenena malagasy izay hifandona amin’ny ekipa nasionalin’i Nigeria. Efa vonona ny mpilalao. “Andro iray sisa ”! Hotontosaina rahampitso, ao amin’ny Kianjan’ny Godswill Akpabio International, Nigeria, ny fihaonan’ny Super Eagles Nigeria sy ny Barean’i Madagasikara. Lalao tafiditra amin’ ny andro voalohany, fifanintsanana Can 2027 […]
Tsipy kanetibe – UBMT : Klioba zandriny indrindra nefa misongadina
Anisan’ireo klioba Tsipy kanetibe zandriny indrindra ny UBMT (Union des boulistes manjaka tokana Ambohitrimanjaka) izay niorina ny volana marsa 2026. Klioba tarihin-dRatsimbaharison Luc sy i Rijavola ary Randrianaivo Eric. Efa manana ny toerany, na eto Madagasikara na any ivelany, ny klioba. Manana fijery vaovao amin’ny fomba fitantanana sy ny hoavin’ny […]





