Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny andro fahadimy, fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, “XXL Top 12”, federaly I. Anisan’ny lalao tena andrasan’ny maro, amin’izany, ny fihaonan’ny FTM Manjakaray sy ny TFMA Ankasina. Mbola manala vela amin’ity fifanandrinana ity ny mpilalaon’Ankasina, boay kely manohitra. Tsiahivina fa ny […]
Fanatajahantena
SOMBIM-BAOVAO
Hifarana anio, eny Soavina, ny fiadiana ny amboaran’ny « Island Padel Cup », andiany voalohany. Hiady ny amboara amin’izany, ny nosy rahavavy La Reunion sy ny ekipam-pirenena malagasy. Firenena telo no mandray anjara amin’ity. Ankoatra an’i Madagasikara sy La Reunion, nifanintsana tao ihany koa i Maurice, saingy efa nihintsina izy ireo. Araka […]
Kianja Barea : hovitaina mialoha ny marsa 2025
Tonga nijery ny fivoaran’ny asa fanamboarana sy fanavaozana ny kianja Barea, teny Mahamasina, omaly, ny teo anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, notarihan’ny minisitra Abdulah Marson Moustapha. Nambarany fa tsy maintsy vitaina mialoha ny volana marsa 2025 ny fanamboarana rehetra. Efa tokony hatao eto Madagasikara ny “fenêtre 2”, amin’ny fifanintsanana […]
Coach Rôrô – Fifanintsanana « CAN 2025 »: «Tsy manan-tsafidy fa tsy maintsy mandresy an’i Comores»
Mbola samy mitsakotsako ilay faharesena nanoloana an’i Tunisie avokoa ny rehetra, indrindra ireo mpilalao sy ny mpanazatra. Nezahin’ireo teknisianina sy ny federasiona narenina ny toe-tsain’ireo Barea ary vonona ny handresy an’i Comores, ny andro faharoa. Na teo aza iny faharesena, 1 no ho 0, nanoloana ny Aigles de Carthage Tunisie, […]
« Sillicon Valley Film Festival »: Malagasy mpanatontosa roa handray anjara
Mandray anjara amin’ny «Sillicon Valley Film Festival», atao any Californie, ny 10 hatramin’ny 14 Oktobra 2024, ny sangan’asan’i Rindra Rambeloson, “Batardes» sy ny an-dRaoelijaona Gourio Laurino, «Trail of Doubt». Horonan-tsarimihetsika miisa 85, avy amina firenena miisa 38 no mandray anjara amin’izany hetsika izany. Ahitana sokajy dimy, mandritra ity fifaninanana ity, […]