Nihintsana teo amin’ny dingana ampahefa-dalana ny ekipa malagasy, taranja ping-pong, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika. Fifaninanana natao tany Addis-Abeba Ethiopie, ny faran’ny herinandro teo. Resin’i Nigeria ny Malagasy. Samy resy tamin’ny seta 3 no ho 0 avokoa Andriantahina Tina sy Raharimanana Hanitra ary Jaoferson Fara. Laharana faha-6 tamin’ireo […]
Fanatajahantena
Fanamoriana fiarakodia : tompondaka i Faniry sy i Mahents
Norombahin-dRasoamaromaka Faniry sy Randriambololona Mahenintsoa (Mahents), mpanamorin’ny klioba TFM sy Asacm, mitondra ny fiara Peugeot 208 T16, ny andiany faha-45 amin’ny “Grand Rallye international de Madagascar”. Dingana fahefatra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara notanterahina teto Antananarivo sy ny manodinana, ny 11 ka hatramin’ny 13 oktobra lasa teo, nokarakarain’ny ASA […]
Baolina kitra – “Can 2025” : mihasarotra ny lalan’ny Barea
Faharesena faharoa ho an’ny Barea de Madagascar, amin’ny ady tapakilan’ny “Can 2025”, ny omaly, tany Maroc. Lavon’ny Scorpion Gambie, 1 no ho 0, izy ireo. Ratsy ny vokatra azon’ny Barea de Madagascar, omaly, tao amin’ny Stade El Abdi Maroc. Resin’ny Scorpion Gambie, tamin’ny isa 1 no ho 0, ny ekipa […]
Baolina kitra, vehivavy-« Cosafa 2024 » :haka mpilalao mpilaravinahitra ny federasiona
Nambaran-dRandriamanampisoa Alfred, filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, tany Maroc, fa handray anjara amin’ny fifaninanana afrikanina “Cosafa”, taranja baolina kitra, sokajy vehivavy, i Madagasikara. Nilaza izy fa hiavaka kely ny amin’ity, hanafatra mpilalao mpilaravinahitra any ivelany ny federasiona mba hanamafy ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Raha ny filazany, maro […]
JJB-Fight Cage : hifanandrina amin’ny Renioney ny Malagasy
Hatao ny 1 novambra izao, ao amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny fifaninanana iraisam-pirenena “Fight Cage”. Ny mpikatroka avy any La Réunion no hifanandrina amin’ ny Malagasy. Ny Guerreros Team no mikarakara ny fifaninanana ary miara-misalahy amin’izy ireo amin’izany ny Federasiona malagasin’ny Jiu-jitsu Breziliana sy ny Kaomisiona malagasin’ny Pancrace. Taranja 3 […]