Fanatajahantena

SOMBIM-BAOVAO

Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy U16, taranja basikety, natao tany Antsirabe, ny MB2All sy ny JCBA. Nandresy ny Phoenix, tamin’ny isa 64 no ho 29, ny MB2All, teo amin’ny sokajy vehivavy. Isa 68 no ho 45 kosa no nandavoan’ny JCBA ny ACMBA, teo amin’ny lehilahy. Hatao ny 5 hatramin’ny 8 […]

Padel – « Island Cup 2024 » : hifandona amin’i Madagasikara voalohany i Maurice

Ho tonga eto Madagasikara, anio, ny delegasionan’ireo firenena roa, La Réunion sy i Maurice, izay mandray anjara amin’ny fifanintsanana “Island Padel Cup”. Ry zareo maorisianina sy ny Malagasy no hanokatra ny fifaninanana. Hotanterahina manomboka rahampitso ka haharitra hatramin’ny 7 septambra, eny Soavina Atm­os­phère, ny andiany voalohany amin’ny fifaninanan’ny Nosy, “Island […]

Baolina kitra – D2 : tafita any amin’ny “Poule des As” ny FCA

Nivoaka omaly, tao anaty tambajotran-tseraseran’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), ireo ekipa tafita amin’ny dingana farany “Poule des As”, diviziona faharoa (D2) nasionaly. Klioba efatra no hiatrika izany. Anisan’izany ny FC Theo Sava, AS Fos Analanjirofo, ny FC Avenir du Sud Anosy ary ny FCA Ihorombe. Tsiahivina fa teo amin’ny […]